Socio-eco

SPOKEN ENGLISH COURSE: Mihena 50 % ny saram-pianarana


Manome tolotra manokana ho an’ireo mpianatra avy nanala fanadinana bakalorea tamin’ny herinandro lasa teo ny Spoken English Course. Ho fitsinjovana azy ireo dia midina 50 % ny saram-pianarana. “180.000 Ariary ny saram-pianarana raha ny tokony ho izy. Lasa 100.000 Ariary izany ho an’ireo mpianatra vao avy niatrika ny fanadinana BAC farany teo”, hoy ny talen’ny ivom-pampianarana teny anglisy Spoken English Course, René Fulgence Tovondrainy. Roa volana monja ny faharetan’ny fianarana. Nambaran’ny talen’ny Spoken English Course fa fohy ny fianarana saingy azo antoka. Porofon’izany ireo mpianatra 25.000 efa nivoaka tao. Omena boky sy DVD maimaim-poana fianarana teny anglisy ihany koa ireo misoratra anarana. Ny 8 oktobra ny fidirana. Misy ihany koa ny tolotra ho an’ireo mpianatra efa nandalo tao Spoken English Course te hanao “perfectionnement”. Midina 45 % ny saram-pianarana ho an’izay misoratra anarana hatramin’ny zoma ho avy izao. Raha 50.000 Ariary izany dia lasa 30.000 Ariary.
Manankery hatramin’ny zoma 28 septambra 2018 io tolotra io ary voafetra ny toerana. Eny Immeuble Aro, Ampefiloha, rihana voalohany ambonin’ny Shoprite, varavarana 102 B no misy ny biraon’ny Spoken English Course. Mba hanamarinana fa nanala BAC teo ilay mpianatra dia mila mitondra ny taratasy fiantsoana (convocation). “Raha tsy mitondra an’izay dia 180.000 Ariary ny saram-pianarana. Noho ny fijerena ireo mpianatra vao nanala BAC sy ireo tanora mba tokony hianatra ny teny anglisy rehefa vita BAC no anton’izao fanapahan-kevitra izao, araka ny fanazavan’ny tomponandraikitra hatrany. Nilaza ihany koa i René Fulgence fa ilaina ny fahaizana ny tenim-pirenena hafa toy ny anglisy satria tonga dia ahafahana miasa avy hatrany mba hahazoana vola hanampiana ny ray aman-dreny amin’ny fanomanana fidirana eny amin’ny oniversite. Noho izany, fampiasam-bola tsara indrindra ny fianarana ny teny anglisy.

Lynda A.

Horonan-tsary


One comment on “SPOKEN ENGLISH COURSE: Mihena 50 % ny saram-pianarana

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *