Socio-eco

PROMOTEUR IMMOBILIER WIMMO : Mifanentana amin’ny filàn’ny mpanjifa ny kalitaon’ny tolotra


Mankany amin’ny tsaratsara kokoa. Niova ho Wimmo no iantsoana ny SIM ( Société Immobilière Michelin). Nosafidiana manokana io anarana io satria tanora kokoa, maoderina kokoa ary manamafy ny teny filamatry ny orinasa: « ensemble, innovons l’immobilier ».

Nampahafantarina tamin’ny fomba ofisialy ny 28 janoary 2020 teny Ankorondrano ity fanovàna ity. Nambaran’ny « directeur d’exploitation » an’ny Wimmo, Yepes Emilio fa mitaky fanajàna ireo laharam-pamehana ny fitondrana fanavaozana eo amin’ny sehatry ny « immobilier » toy ny lafiny kalitao, fanajana ny fenitra, ny fiarovana ny fananana sy olona…Eo ihany koa ny fandrindrana ireo toerana (site) amin’ny tontolo natoraly kanefa miaro ny tontolo iainana ».

Nambarany ihany koa fa ny 50 %-n’ireo toerana fanangonan’entana (entrepôts) dia handeha amin’ny alalan’ny herinaratra avy amin’ny masoandro  manomboka amin’ny faran’ny taona 2020. Ao anatin’ny vinan’ny orinasa ny fiarahamiasa amin’ireo mpanjifa mba hifanaraka amin’ny filan’izy ireo ny tetikasa ho atsangana.

Efa ho 30 taona no nisehatra tamin’ny resaka trano sy tany teto Madagasikara ny SIM. Anisany nahafantarana azy ny fanofana toerana fanangonana entana (entrepôts), fanamboarana “centre commercial”…Nivelatra izany amin’izao fotoana izao satria manana tolotra  sy tetikasa hafa ry zareo toy ny Wiholidays, momba ny fialantsasatra sy fizahantany; ny Wihome, momba ny toeram-ponenana; Wistore momba ny toeram-pivarotana lehibe maoderina…

Nirina R.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *