Socio-eco

SECES: Manainga ny ministry ny fampianarana ambony vaovao hiara-hidinika


Famaranana ny taom-pianarana 2018-2019 eny amin’ny oniveristem-panjakana. Nanatanteraka filankevi-pirenena tsy ara-potoana ny SECES (sendikan’ny mpampianatra-mpikaroka, mpikaroka-mpampianatra) androany 29 janoary 2020 teny Ankatso. Fehin-kevitra nivoaka tamin’izany ny fitakiana vahaolana mahafa-po ao anatin’ny fotoana fohy avy amin’ny mpitondra mahefa ny sendika. Anisan’izany ny fanekena sy ny famoahana haingana ny valin’ireo fangatahana “maintien en activité” sy ny fangatahana ny “reclassement”, ny fandoavana tsy misy hatak’andro ny “indemnité de recherche et d’investigation- exercices 2016, 2018” ho an’ireo “retraités chercheurs”, ny fandoavana ny “geste de bonne volonté” sy ny fanaovan-tsonia ny tetiandro ifanarahana amin’ny fitondrana, araka izay zakany, momba ny vary mangatsiakan’ny mpampianatra- mpikaroka sy mpikaroka-mpampianatra vokatr’ireo didim-panjakana telo 2009-1214, 2009-1215 ary 2009-1216, araka ny nifanarahana tamin’ny lehiben’ny governemanta ny 15 aprily 2019 sy ny tolo-kevitry  ny ministry ny toekarena sy ny vola ny 12 septambra 2019.

Nambaran’ny filoha lefitry ny SECES, Rakotondrabe Dauphin fa vonona mandrakariva ny sendika amin’ny fifampidinihana ho fanatanterahana ny fandoavana an’ireo trosany “rappels” amin’ny fitondram-panjakana voafaritry ireo “décrets” telo ireo. Manoloana izany dia manainga ny ministra mpiahy ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa vaovao, Elia Béatrice Assoumacou ireo mpikambana ao amin’ny sendika mba hidinika miaraka amin’izy ireo, ahafahana manatontosa ny famaranana ny taom-pianarana 2018-2019 sy ahitana vahaolana mahafa-po ary azo tsapain-tanana momba ny fitakian’izy ireo.

Lynda A.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *