Socio-eco

RDJ MOZIKA 2019: Mbola misy ny fotoana hisafidianana ireo mpanakanto mendrika indrindra


Lanonana fanaon’ny onjam-peo 96.6 FM isan-taona ny “Rdj mozika” ho fankasitrahana ireo mpanakanto malaza. Ho an’ny taona 2019, sokajy 22 no hotolorana izany. Nambaran’ny filoha tale jeneralin’ny RDJ, Rasolojaona Tahiana nandritra ny tafa ho an’ny mpanao gazety, ny 30 janoary 2020 teny Ambodivona fa ireo mpankafy no tompon-tsafidy ny tokony ho mpanankanto mendrika handray ny amboara isaky ny sokajy. Nanomboka tamin’ny fiandohan’ny volana janoary 2020 ary tsy hifarana raha tsy ny andron’ny lanonana (alohan’ny 12 atoandro) fisafidianana ireo mpanakanto sy ny hirany. Amin’ny alalan’ny fandefasana SMS (032 32 007 66 na 033 56 007 66 na 034 34 007 66) na ao amin’ny tranokalan’ny RDJ no hanaovana izany.

Araka ny fanazavan’ny filoha tale jeneralin’ny RDJ hatrany fa ireo mozika nandalo tao amin’ny RDJ, be mpankafy indrindra sy be mpangataka, teo anelanelan’ny 01 desambra 2018 ka hatramin’ny 30 novambra 2019, ireo voasokajy ireo. Nambarany ihany koa fa miova isan-taona ireo sokajy satria manaraka ny “rivotry ny mozika”. Anisany sokajy vaovao ho an’ity andiany faha-10 ity ny “world music”, ny “mozika barea”. Ny 08 febroary 2020 eny amin’ny CCI Ivato no hanatanterahana ny lanonana fizarana ireo mari-pankasitrahana.

Ireto avy ireo sokajy:

Mozika collaborateur de l’année (COL), mozika variété (VAR), mozika pop (POP), mozika Afro pop (AFR), mozika tropical féminin (TPV), mozika mihetsika (VMH), mozika RNB soul (RNB), mozika ragga/dancehall (RDC), mozika Urban EDM (EDM), mozika tropical masculin (TPL), mozika fiderana (FID), mozika salegy (SLG), mozika rap (RAP), mozika rock (ROC), Producteur de l’année (PRO), mozika milamina féminin (MLV), mozika barea (BAR), World music (WRD), révélation de l’année (RVL), mozika cover (COV), mozika milamina masculin (MLL). Azo jerena ao amin’ny tranokalan’ny RDJ kosa ireo mpanakanto isaky ny sokajy.

Lynda A.

Horonan-tsary


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *