Sport

GRAND OPEN MAHEREZA : Mitaiza tanora ny kaominina.


Vita androany 29 Oktobra 2017 ny famaranana baolina kitra GRAND OPEN MAHEREZA teny amin’ny kaominina Mahereza. « Ao anatin’ny fitaizana ny tanora ny hetsika mba tsy hirona amin’ny fifohana zava-madomelina sy herisetra isan-karazany izy ireo». Efa fanao isan-taona ny fifaninana toy izao eny amin’ity kaominina ity. « Niavaka tamin’ity taona ity satria natao OPEN nandraisan’ny kaominina manodidina anjara izany. Tsy ny distrikan’Ambohidratrimo irery anefa fa teo ny distrikan’Arivonimamo ka nahitana kaominina vitsivitsy », hoy ny ben’ny tanana Mahereza, RAKOTOARISOA Johnny. Nanome fankasitrahana ho a an’ny ireto tafita amin’ny famaranana ireto ny lehiben’ny faritra Analamanga, Ndrato RAKOTONANAHARY. Omby ho an’ny mpandresy ary ondry kosa ny an’ny faharoa. « Amporisihana ny distrika rehetra hikarakara ny tanora ao aminy. Ny kaominina Mahereza no nanao izany sady fiaraha-miasa amin’ny ben’ny tanana ihany koa ».
Tompondaka ny FC Ambodivona.
Resin’ny FC Ambodivona tamin’ny isa tokana ny ekipan’ny Lazan’ny Fiadanana. Noho izany, FC Ambodivona no nahazo ny omby ary ondry kosa ny an’ny Lazan’i Fiadanana. Tany amin’ny minitra faha 35 fizarana faharoa vao nisy io baolina tafiditra nandresen’ny FC Ambodivona io.
« Tsy mijanona ny lalao baolina kitra fa hiditra ao amin’ny Coupe de Noel indray ny kaominina araka ny fangatahan’ny tanora ka hanasana ireo kaominina manodidina izany. », hoy hatrany ny ben’ny tananan’i Mahereza.
Nirina R.

HORONAN-TSARY


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *