Socio-eco

SUPERCODEURS: Sady vita ny vakansy no mitombo ny fahalalana momba ny teknolojia


Efa miditra tsikelikely ao anatin’ny fotoam-pialantsasatra ny mpianatra amin’izao fotoana izao. Marobe ireo fandaharan’asa entina hanampiana ireo ankizy sy tanora amin’ity vakansy ity ka anisan’izany ny “SuperCodeurs”. Programan’asan’ny orinasam-pifandraisan-davitra Orange Madagasikara ho an’ny tanora zazavavy sy zazalahy 9 ka hatramin’ny 14 taona izy ity. Nampahafantarina tamin’ny fomba ofisialy nandritra ny andro natokana ho an’ny “TICE” (Technologie d’Information et de Communication pour l’Education) nokarakarain’ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena tamin’ny alalan’ny CISCO Antananarivo niaraka tamin’ny Orange sy ny fikambanana Techzara, ny 14 aogositra 2019 teny amin’ny lisea Jean Joseph Rabearivelo Analakely ny fandaharam-potoana momba izany. Nomarihan’ny mpikarakara fa mpianatra avy amin’ny sekoly miankina amin’ny fanjakana sy tsy miankina 60 isa nitombo fahalalana noho ireo atrik’asa maro momba ny “programmation informatique” nandritra ny andro ho an’ny “TICE” andiany fahatelo.

Ny 14 aogositra ka hatramin’ny faran’ny volana oktobra 2019 ny andiany manaraka amin’ny vakansy “Supercodeurs”. Noho ny fiaraha-miasa amin’ny ministeran’ny paositra, ny fifandraisan-davitra sy ny fampivoarana ny haitao ara-kajy mirindra dia handalo amin’ireo kartie maro eto Antananarivo renivohitra sy ny manodidina ny TicBus hampianatra ireo fototry ny “coding”. Zava-kendren’ny tetikasa ny hambolena toe-tsaina tia mamorona sy hahatsapan’ny tanora ny maha zava-dehibe ny fahaizana miara-miasa sy hamohazana sahady ny talentan’ireo ankizy amin’ny alalan’ny fahafantarana ny tontolon’ny nomerika.

Nirina R.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *