Socio-eco

TARIKA ‘ZAY : Manome fotoana ny mpankafy ny 1 desambra 2019


Fanomezana fahafaham-po. Isaky ny herintaona sy tapany ny  tarika ‘Zay no manao fampisehoana, araka ny fanazavan’ny lehiben’ny departemantan’ny serasera eo anivon’ny Orange Madagascar nandritra ny tafa ho an’ny mpanao omaly 22 novambra 2019, niresahana ny fampisehoana karakarain’ny Ivenco. Hanao fampisehoana adiny telo tsy an-kiato amin’ny  1 desambra 2019 amin’ny 3 ora sy ny 23 minitra ao amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina ny tarika ‘Zay. 23 taona niakarana an-tsehatra ny tarika ka hohirain’i Nary sy Malala ireo hira nahafantarana azy ireo sy be mpankafy indrindra toy ny manahirana, tsy miova , anontanio azy, tsy andriko. Mazava ho azy fa hikalo ireo hira vaovao ihany koa izy ireo toy ny tsy ho voavaliko sy ny maro hafa. Nambaran’i Malala fa amidy 15.000 Ariary amin’ny andron’ny fampisehoana ny “album” vaovao. Ankoatra izany, mpikarakara hetsika ara-java-kanto matihanina ny Ivenco ka hampiavaka ny fety hiarahana amin’ny tarika ‘Zay ireo fitaovana raitra sy hiaka farany  ho ampiasaina amin’io fotoana io.

Amin’ny maha orinasa mandray anjara mavitrika amin’ny fampiroboroboana ny zava-kanto sy ny kolontsaina eto Madagasikara an’i Orange, Star, Mass’In sy ny maro hafa tsy voatanisa dia manampy ny Ivenco izy ireo amin’ny fikarakarana ity fampisehoana ity. Nohamafisin’i Ranaivoson Valérie fa manana ny mpankafy azy ny tarika ‘Zay ka hanome fahafaham-po ho azy ireo ny Orange. Noho izany, hisy ny lalao sy fanentanana hoy izy mialohan’ny fampisehoana. Amidy  eny amin’ny La City Ivandry sy Nect’Art Ankaditapaka ny tapakila tsotra (10.000 Ariary), ny famandrihan-toerana (20.000 Ariary) ary ny VIP (50.000 Ariary)

Nirina R.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *