Samy nanao fanambarana ny mpiasan’ny fananantany, ny « syndicats des contrôleurs des domaines » sy ny « syndicats des assistants rédacteurs des domaines » etsy ankilany ary ny sendikan’ny « Ingénieur des services topographiques » sy ny « inspecteurs des domaines » etsy andaniny, omaly 2 aprily 2019.
Tapitra ny 72 ora nomen’ny « syndicats des contrôleurs des domaines » sy ny « syndicats des assistants rédacteurs des domaines » saingy tsy mbola nivoaka ny fonja ireo tomponandraikitry ny fananantany voarihorihy tamin’ny resaka kolikoly momba ny villa Elisabeth. « Tsy nahitam-bokany ny fihaonana natao tamin’ny solontenan’ny minisitra mpiahy ny fananantany taminay mpikambana », hoy ny filohan’ny « syndicats des assistants rédacteurs des domaines », Iarivonijaona Rapariherinambinina nandritra ny valan-dresaka tamin’ny mpanao gazety omaly 2 aprily 2019. Manoloana izany dia mbola mitaky ny hamoahana hatrany ny namany izy ireo ka mandra-piavin’izany dia tsy nandray baiko izy ireo nanomboka omaly. Hitokona tsy hiasa izany ireto mpiasa ireto.
Ary ny hafa ahoana ?
Ankoatra izany dia nanome 72 ora ny fitondram-panjakana ihany koa ny sendikan’ny « Ingénieur des services topographiques » sy ny inspecteurs des domaines eo anivon’ny sampandraharahan’ny fananan-tany manerana an’i Madagasikara tamin’io andro io mba hamotsorana ireo mpiara-miasa amin’izy ireo. « Amin’ny maha mpiasam-panjakana voafehin’ny lalànan’ny asa ny tomponandraikitra isan-tsokajiny eto sampandraharahan’ny fananantany dia manana adidy hanatanteraka baiko avy amin’ny lehibeny izy ireo ary ny tsy fanatanterahana an’izany dia midika ho « insubordination » ka mahavoasazy ». Nilaza ihany koa izy ireo fa baiko tamin’ny mpitondra nifanesy teo aloha no notanterahin’ireo mpiara-miasa amin’izy ireo voatazona am-ponja vonjimaika kanefa dia tsy nisy voarohirohy na nanaovana fanadihadiana akory fa ireo mpanatanteraka no naiditra am-ponja. Ny taratasy rehetra hanaovana ny famindrana (mutation) dia miankina amin’ireo tompon-tany ary maro ireo sampandraharaha hafa mikirakira ny antontan-taratasy toy ny kaominina, ny « notaire » sy ireo didim-pitsarana isan-karazany, araka ny fanazavan’ny mpitondra tenin’izy ireo, Rakotoson Mirija. Noho ireo voalaza rehetra ireo dia « mitaky amin’ny fitsarana izahay mba hanadihady araka ny fahamarinana tsy misy fitanilàna, ao anatin’ny fanajana ny lalàna ka hanome fahafahana vonjimaika ireo namanay alohan’ny fitsarana azy ireo ».
Lynda A.


