Socio-eco

FANOKAFANA KAONTY AO AMIN’NY ACEP: Hahazoana loka avy any amin’ny Startimes


Olona 20 nanokatra kaonty mahazatra (compte courant) no efa nahazo loka tamin’ny lalao “Loharano” niarahan’ny ACEP Madagasikara sy ny Startimes. Miparitaka amin’ireo masoivohon’ny ACEP any Antsirabe, Fianarantsoa, Mahajanga ary eto Antananarivo ireto tsara vintana ireto. “Décodeurs”, “antennes”, “abonnement” maimaimpoana hatramin’ny 31 jolay 2018 hijerena mondial 2018 no azon’izy ireo. Mbola mitohy ny lalao hatramin’ny 15 jolay 2018. “Mbola manentana ny rehetra hanokatra kaonty fa mbola misy ny fisarahina anarana. Olona 40 no kasaina omena loka amin’ny herinandro ho avy izao”, hoy Rindra Andriamanana, tomponandraikitra ara-barotra sy serasera an’ny ACEP Madagasikara.

Fepetra

18 ny isan’ny masoivohon’ny ACEP Madagasikara amin’izao fotoana izao. Ho avy tsy ho ela ny fanokafana ireo masoivoho eny Analamahitsy, Tsiroanomandidy, Ihosy. Raha hanokatra kaonty mahazatra dia 5000 Ariary ny sarany. Ho sarihina ireo anarana manokatra kaonty sy manao petra-voloahany 10.000 Ariary ary hahazo loka avy any amin’ny Startimes. Afaka manao petra-bola sy maka vola ara-dalàna ny mpanjifa raha misafidy ny kaonty mahazatra satria tsy misy sarany alaina isam-bolana. Ankoatra izany, amin’ny maha mpampindram-bola madinika ny ACEP dia manana tolotra mifanaraka amin’izany ihany koa izy.
Lynda A.

Horonan-tsary


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *