Socio-eco

EURO 2020 : Ao amin’ny Startimes ny fotoana !


Ho hita mivantana ao amin’ny Startimes ny lalao rehetra. Ekipa-pirenena 24 mahay indrindra ao eraopa no hiatrika ny fifaninanana Euro 2020 izay hanomboka amin’ny 11 jona 2020 ho avy izao ka haharitra iray volana. Tsy ho diso anjara amin’ny fahitana ireo lalao rehetra ny mpitia baolina kitra malagasy. Ho hita ao amin’ny Startimes amin’ny kalitao HD(haute définition) avokoa ireo lalao 51 amin’ity Euro 2020 ity. Miavaka ihany koa amin’ity Euro 2020 ity ny fandehanan’ny lalao ao amin’ny Gasystar izay ho tantaraina amin’ny teny malagasy. Hisy ny fanadihadiana mialoha ny lalao sy ao anatin’ny fialan-tsasatra ataon’i Serge Rasanda, Mirado Rakotoharimalala ary Ny Anjara Rafalimanana ao amin’ny Gasystart hatrany, hoy i Zafera Joyce, tomponandraikitry ny serasera sy fifandraisana amin’ny daholobe ao amin’ny Startimes Madagasikara. Ao amin’ny chaine 788 satellite (DTH), chaine 108 TNT (DTT) no hahitana ny Gasystar. Hisantatra ny Euro 2020 any Roma ny ekipam-pirenen’i Turquie sy Italie.

Hisy ny tolotra manokana ho an’ireo izay vao hanjifa ny vokatra hatolotry ny Startimes amin’ity Euro 2020 ity. 45 000 Ariary ny kit TNT ary 60 000 Ariary ny kit satellite izay efa ao anatiny ny bouquet iray volana. Ho an’ireo izay mpanjifan’ny Startimes hatramin’izay kosa dia 44 000 Ariary monja ny bouquet classic sy Super mandritra ny iray volana. Mampiavaka ny Startimes ihany koa ny fisian’ny tolotra isanandro, isakerinandro ankoatra ny isambolana. 2 000Ariary ny tolotra smart/basic na 4 4000 ariary ny super/classic isanandro. 8 000 ariary kosa ny smart/basic na 16 000 ariary ny super/basic isakerinandro.

Ankoatra izay, azo atao ihany koa ny manaraka ny lalao mivantana amin’ny finday amin’ny alalan’ny streaming Startimes ON. Mampiavaka azy ity, ny fahazoana mijery amin’ny finday efatra indray miaraka. 2 500 ariary isanandro sy 5 500 ariary isakerinandro ary 11 000 ariary isambolana ny sarany.

Ra-Nirina


One comment on “EURO 2020 : Ao amin’ny Startimes ny fotoana !

  1. Pingback: EURO 2020 : Ao amin’ny Startimes ny fotoana ! - ewa.mg

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *