Socio-eco

FANATSARANA NY TOLOTRA: Miara-mientana ny Orange sy BMOI


Nanamafy ny fiarahamiasany ny Banque Malgache de l’Océan Indien (BMOI) sy ny Orange Money mba ho fanatonana hatrany mpanjifa. Tsy mila mandeha alavitra ny mpanjifa fa amin’ny alalan’ny finday dia afaka sy mikirakira ny vola any amin’ny banky. Ankehitriny, afaka misitraka ny tombontsoa avy azo amin’ny fampiasana ny Orange Money ny mpanjifan’ny BMOI na mifanohitra amin’izay. Nampahafantatra izany tao amin’ny Colbert Antaninarenina, ny 19 septambra 2018 ny tale jeneralin’ny BMOI, Alain Merlot sy ny tale jeneralin’ny Orange Madagascar, Michel Degland.
Hanampy an’ireo manana kaonty any amin’ny banky BMOI sy Orange Money hampiasa ny tolotra toy ny famindrana vola any amin’ny kaonty BMOI amin’ny alalan’ny Orange Money, famindrana vola any amin’ny Orange Money amin’ny alalan’ny kaonty BMOI, ny fijerena ambim-bola ao amin’ny banky amin’ny fotoana rehetra, ny fijerena vola nalefa farany. Azo atao ao antin’ny 24 amin’ny 24 ora, fito amin’ny fito andro ireto tolotra ireto. 19 ny masoivoho BMOI eto Madagasikara, roa ny “agences prestiges”, roa ny “centre d’affaires”. Manana mpanjifa 2,8 tapitrisa kosa ny Orange money. Vokatry ny fiarahamiasa amin’ny BMOI dia afaka mamahana ny kaonty Orange Money amin’ny alalan’ny kaonty BMOI mba handefasana vola na hividianana fahana na handoavana faktiora na hividianana entana na hangalana vola eny amin’ireo toerana miara-miasa amin’ny Orange money miisa 10.000 ireo mpanjifa.

Nirina R.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *