Socio-eco

MVOLA –BMOI: Manamora ny fikirakirana vola ny « bank to wallet/ wallet to bank»


Mariky ny faha-10 taona. Nampahafantarina androany 10 janoary 2020 teny Antaninarenina ny  fiarahamiasa eo amin’ny orinasa Telma amin’ny alalan’ny Mvola sy ny banky BMOI Madagascar. Manomboka izao dia mihatsara ny kalitaon’ny filan-draharaha omen’ny roa tonta ny mpanjifa noho ny vokatra “bank to wallet” na “wallet to bank”.

 Araka ny fanazavan’ny tale jeneralin’ny BMOI, Merlot Alain fa ho fanatsarana ny kalitaon’ny tolotra misy ny fiarahamiasa amin’ny Mvola ity  sady ahafahan’ny orinasa sy ny isam-batan’olona mampiasa tolotra momba ny fikirakirana vola toy ny fandefasana na fisintonana vola, fividianana entana na fahana, fandoavam-bola amin’ny vidiny mirary ary amin’ny fotoana rehetra, na aiza na aiza. Nambaran’ny Administrateur Directeur Général  ny Mvola, Mathieu Mace fa dingana lehibe manamarika ny faha-10 taonan’ny Mvola ity fiarahamiasa ity. Nohamafisiny fa manana 20.000 points manerana an’i Madagasikara ny Mvola, hangalana na handefasana vola.

Lynda A.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *