Archives mensuelles octobre 2022


RAVINALA AIRPORTS : L’aéroport international d’Antananarivo réalise un exercice général de simulation d’accident d’avion


Ravinala Airports, avec l’appui de Vincent Robert, en charge des exercices d’urgence de l’aéroport de Paris-Charles de Gaulles, a organisé ce lundi 17 octobre 2022 un exercice général de simulation d’accident d’avion, grandeur nature, sur le site de l’aéroport international d’Antananarivo, en coordination et avec l’appui de la Préfecture d’Antananarivo et de toutes les entités aéroportuaires. Continuer la lecture


PAM: Hamatsy rano ireo sekoly hanaovana « cantine » ao Ambovombe ny ONG KFHI


Hampaharitra ny fampisakafoanana an-tsekoly. Anisan’ireo toerana saron-drano any amin’ny faritra Atsimon’i Madagasikara ny  distrikan’Ambovombe. Vola mitentina 60.000 dolara no entin’ny ONG KFHI (Korean Food Hungry Initiative) hanampiana ireo sekoly misitraka ny fandaharan’asa fampisakafoanana an-tsekoly tanterahan’ny ratsa-mangaikan’ny firenena mikambana misahana ny sakafo (PAM).Ny lafiny famatsiana rano sy fiarovana tontolo iainana no ampiasaina io fanampiana ara-bola io. « Mila mamokatra mba ahafahana  mamatsy  sakafo ireo cantine. Mba ahafahana mamokatra anefa dia mila rano. Mila rano ihany koa rehefa mahandro sakafo. Ho famatsiana rano ireo sekoly no antony fiarahamiasa  eo amin’ny ONG koreana KFHI », hoy Ranaivoarivelo Marie Donna, tomponandraikitrin’ny fandaharan’asa fampisakafoanana an-tsekoly ao amin’ny PAM. Nambarany fa hampaharitra ny fampisakafoanana an-tsekoly ny fifanomezan-tanana tahaka izao.

Fandrahoana sakafo miaro tontolo iainana

Fanombohana ihany ny fiarahamiasa eo PAM sy KFHI ka sekoly miisa 15 any Ambovombe no hanatanterahana izany voalohany, araka ny fanazavan-dramatoa Ranaivoarivelo Marie Donna hatrany. Hitondra ny fahaiza-manaony amin’ny fampidirana rano amin’ireo sekoly ireo ny KFHI. « Raha amoron-drano no misy ny sekoly dia fitarihana rano no atao na hanamboarana vovon-drano raha mety. Rehefa tsy mety ireo roa ireo dia amin’ny fomba hafa no hamatsiana rano ireo sekoly », hoy ny tomponandraikitra voalohan’ny fandaharan’asa fampisakafoanana an-tsekoly ao amin’ny PAM nanazava ny fomba hamatsiana rano ireo sekoly. Ankoatra izany, ao anatin’ny sahan’asa ho tanterahan’ny KFHI miaraka amin’ny PAM  any Ambovombe ny lafiny fiarovana tontolo iainana. Ho jerena akaiky amin’izany ny fampiasana teknika hampihenana ny kitay handrahoana sakafo. » Mila kitay ny fandrahoana sakafo satria sakafo manta no alefa any an-tsekoly. Raha  ohatra ka fomba fahandro  tsy mitsitsy no atao dia mety hanimba tontolo iainana ». Notanterahina ny 12 oktobra 2022 teny amin’ny biraon’ny PAM Ambatoroka ny fifanaovantsoniam-piarahamiasa  teo amin’ny roa tonta. Nanatrika izany solontenan’ny PAM eto Madagasikara, ny  Ambasadaorin’i Korea miasa eto Madagasikara ary ekipan’ny KFHI.

Ra-Nirina