Manomboka ny zoma 21 oktobra ka hatramin’ny 10 novambra 2022 ny fisoratana anarana amin’ny The Voice Africa. Amin’ny alalan’ny tranokala www.thevoice.africa no afahahana manao izany ho an’ireo tia mihira na manan-talenta amin’izany. Fananana laharana Airtel sy adiresy mailaka no fepetra voalohany takiana . Tsy atao mihoatran’ny 1 minitra sy 20 méga ny vidéo mirakitra ny hira alefan’ny kandida. Firenena 14 eto Afrika, ao anatin’i Madagasikara no afaka mandray anjara, araka ny fanazavan’ny tomponandraikitrin’ny serasera eo anivon’ny Airtel Madagasikara, Ratsimbarison Anna, nandritra ny fampahafantarana tamin’ny fomba ofisialy ny The Voice Africa. Ny 19 oktobra 2022 tany Nigeria no nanatanterahana izany ka nanatrika izany tamin’ny alalan’ny fampitain-davitra ireo firenena hafa toa an’i Madagasikara.
« Manan-talenta ary tia mihira ny eto Madagasikara. Ho fanohanana azy ireo no nahatonga ny Airtel nisafidy ny hanohana ny The Voice Africa. Misokatra ho an’ny rehetra mihoatra 18 taona ny fifaninanana. Mety avokoa na efa nandray anjara tamin’ny Fifaninan-kira hafa na efa mpanakanto fanta-daza », hoy Ratsimbarison Anna. Kandida 20 isakin’ny firenena no hosafidian’ny Fame Studio, mpikarakara ny fifaninanana, aorian’ny fisoratana anarana. Aorian’izany, hitety isakin’ny firenena ireo coach iraisam-pirenena hisafidy ny mpifaninana miisa 7 hiaro ny voninahim-pireneny mandritra ny dingan’ny famaranana izay atao any Nigéria. Ny 10 desambra 2022 no handalo eto ry zareo. « Efa hahazo loka, 5000 dolara, sahady ireo 7 ireo ary hiantohana ny trano sy tapakika handehanan’izy ireo any Nigéria hanao ny audition à l’aveugle », hoy ny tomponandraikitrin’ny serasera eo anivon’ny Airtel Madagasikara. Nambarany fa 100.000 dolara miampy famokarana album ny loka goavana omena ny voalohany amin’ny fifaninanana The Voice Africa.
Ra-Nirina.


