Sekoly miisa 100 miparitaka amina firenena afrikana 10 no nandray anjara tamin’ny WikiChallenge 2023. Sekoly telo (03) tamin’ireo no voasafidy hahazo ny loka goavana. Ao anatin’izany i Madagasikara tamin’ny alalan’ny sekolim-panjakana ambaratonga fototra (EPP) Behenjy, ny sekoly Oued Chiaf ao Maroc ary ny sekoly ambaratonga fototra Ras El Oued Smar Tataouine ao Tunisie. Fitaovam-pianarana toy ny kitapo, kahie ary solosaina mitentina 5.000 euros na manodidina 24 tapitrisa Ariary ny loka azon’ny tsirairay. Fifaninanana karakarain’ny Fondation Orange isan-taona, miaraka amin’ny Wiki In Africa ny WikiChallenge ary natao ho an’ny mpianatra 9 ka hatramin’ny 13 taona mianatra amin’ireo sekoly nomerika napetraky ny vondron’orinasa manerana an’i Afrika. Mamporisika ny mpianatra hiresaka lohahevitra manodidina ny tontolo misy azy ireo sy hanome ny fomba fijeriny momba izany ity fifaninanana ity. Manampy azy ireo ny mpampianatra amin’ny fanoratana lahatsoratra miompana amin’ny lohahevitra manan-danja eo amin’ny fiarahamonin’izy ireo. Afaka mianatra momba ny fandefasana lahatsoratra mitantara ny fiainany andavanandro ao amin’ny tranokala Vikidia ireo mpianatrin’ny sekoly nomerika. Afaka mamantatra ny tontolon’ny nomerika, manatsara ny fahaizana manoratra amin’ny alalan’ny fizarana ny kolontsaina mampiavaka azy ireo amin’izao tontolo izao ihany koa. Nampahafantarina ny alatsinainy 5 jona 2023 ny lisitr’ireo mpandresy miisa telo (03). Miresaka momba an’ Ikopa ny lahatsoratra nosoratan’ny EPP Behenjy, momba ny “Melhfa” ny an’ny sekoly ambaratonga fototra Oued Chiaf ao Maroc ary momba ny “Ksours de Tataouine” koa ny an’ny sekoly ambaratonga fototra Ras El Oued Smar Tataouine ao Tunisie.
Ho an’ny fifaninanana nasionaly teto Madagasikara, fitaovam-pianarana mitentina 2500 euros na manodidina ny 11 tapitrisa Ariary no azon’ireo mpandresy. Ny sekoly ambaratonga fototra sy faharoa Antanety sy ny mpianatra ao amin’ny SOS Villages d’Enfant , tamin’ny alalan’ny lahatsoratra miresaka momba ny “tarondron’i Parson” no nandrombaka izany. Tsiahivina fa sekoly nomerika miisa 240 manerana ny faritra 23 no efa nosokafan’ny Orange Solidarité Madagascar. Ho fanamorana ny fampitana ny fandaharam-pianarana amin’ny alalan’ny fampiasana ny nomerika eny anivon’ny kilasy ambaratonga fototra sy faharoa ny fandaharan’asa sekoly nomerika. Tanjon’ny tetikasa ny fampihenana ny elanelana amin’ny lafiny nomerika, ho fanatsarana ny kalitaon’ny fampianarana sy fanampiana ny mpianatra rehetra tsy ankanavaka hahay hifehy ny nomerika.
Ra-Nirina


