politique

VOIN-KAVA MAHATRATRA: Manao antso avo Fetison Rakoto Andrianirina


Miharihary ohatra ny kary am-pamoloana fa hanampy trotraka ny fahavoazana efa misy eto Madagasikara ny fisian’ity tsimokaretina Covid-19 ity. Mbola ao anatin’ny ady tsy hiparitahiny isika ankehitriny. Samy manao izay ho afany ny tsirairay, araka izay tandrify azy. Tsy ampy anefa izany satria mafy ny ady ; tsy ny fanafenana ny kilema sy ny tsy fahatomombanana anefa no hahasitrana azy sy hahitana vahaolana malaky. Fahendrena !… Tsapa fa maro ny azo kianina amin’ny fihetsikin’ny mpitondra saingy tsy tsara ny manabokaboka – indrindra indrindra manoloana an’ireo vahiny mpanohana sy mpiara-miasa – ny fitondrana mijoro satria izany no taratry ny firenena mijoro, izay efa notakin-tsika hatrizay. Etsy andaniny anefa, hita fa midi-drano hatraiza hatraiza ny lakana ka tsy eken’ny eritreritra raha miara-milentika aminy isika rehetra. Misy fotoana tsy hiherehana ny lasa fa hibanjinana ny ho avy. Manoloana ny hamafin’ny ady, dia efa niantso ary mbola miantso tolo-tanana ny fitondrana. Fotoana ary izao ho antsika rehetra, na mpomba na mpanohitra izao fitondrana izao, ny hivondronana ka hiraisan-tsika hina, ho fanarenana ny firenena. Noho izany, fahendrena ny tsy hamihin-tratra ka hitazana fotsiny izay mety ho fiantombohan’ny fahapotehina tanteraky ny firenena malagasy. Ary mbola fahendrena ny hisian’ny tena ady hevitra handrosoana fa tsy hampiady hain-teny etsy sy eroa. Atsaharo ny fifampihantsiana !… Adidin’ny Fitondrana ny mitady ny hevitra rehetra hiarovana ny mponina ao aminy, hitandroana ny fahasalamany, toy ny adidy hanajany ny safidin’izy ireo, raha toa ka tsy mifanohatra amin’ny lalàna manankery sy ampiharina eto amin’ny firenena. Tsy homentsiny ny Mpitondra raha mikaroka izay rehetra heveriny ho vahaolana manoloana ny fiparitahan’ity arenti-mandoza ity ka handringanana azy. Voalaza ankehitriny fa manampy antsika amin’ny fiarovana tsy ho voan’io tsimokaretina io ny Covid Organics, izay tambavy fisotro ho fisorohana, araka ny fihaonan’ny Filohampirenena sy ny ireo manampahaizana mpitsabo malagasy ao amin’ny ANAMEM. Mila manaja ny fandaminana napetraka ny vahoaka malagasy raha te handresy haingana amin’ny ady isika, kanefa tsy tokony hamefena ny zon’izy ireo amin’ny safidiny izany. Noho izany, (a) Hitondra filaminan-tsaina sy fiombonana raha toa ka manambara ny Fitondrana fa hankalalahana ny fandraisana sy fisotroana ny tambavy Covid Organics, (b) Samy handray andraikitra ny tsirairay, isan’ambarantongany, hanaja ny fepetra rehetra tsy hiparitahin’ny tsimokaretina, na kely izy na lehibe, na antitra na tanora, na lehilahy na vehivavy, (d) Hanaiky ny Mpitondra ny hifampiresaka, ka haka ny hevitr’ireo manampahaizana isan-tsokajiny, ny fiarahamonimpirenena, ny mpandraharaha, ny tantsaha, ny mpanabe, ny mpisehatra politika, handinihina, dieny izao, ka hahatongavana amin’ny rariny iombonana, ny fomba hiatrehana, ao anatin’ny mangaraharaha tanteraka, ny ampitson’ny fandresentsika ny tsimokaretina Covid-19. Dia ho samy tompon’andraikitra ny amin’ny hoavin’ny firenena ny rehetra ! Antananarivo, faha 24 Aprily 2020 Rakoto Andrianirina Fetison.


One comment on “VOIN-KAVA MAHATRATRA: Manao antso avo Fetison Rakoto Andrianirina

  1. Pingback: VOIN-KAVA MAHATRATRA: Manao antso avo Fetison Rakoto Andrianirina - ewa.mg

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *