Socio-eco

VAKY BOKY : Ireo tombontsoa azo avy aminy


Tamin’ny alalan’ny fampiantsoana ireo mpisehatra eo anivon’ny boky sy ny vaky boky no nanamarihan’ny ministeran’ny serasera sy ny kolontsaina ny andro iraisam-pirenena ho an’ny boky sy ny zon’ny mpamorona, omaly 23 aprily 2019. Natao hanatsarana ny sehatry ny boky sy vaky boky no zava-kendren’ity varavarana misokatra ity. Tsy hifarana ny fifanakalozan-kevitra eo amin’ny ministera sy ireo mpisehatra raha tsy ny 26 aprily 2019. Paik’ady maharitra ho entin’ny minisitera hamerenana indray ny fitiavana mamaky boky ity varavarana misokatra ity. “Rehefa tia mamaky boky ny Malagasy dia miodina ny sehatra eo anivon’ny boky. Mandeha tsara ny asan’ny mpanoratra, ny mpanonta boky, mpivarotra boky”, hoy ny minisitry ny serasera sy ny kolontsaina, Rakotondrazafy Andriatongarivo Lalatiana. Nambaran-dRamatoa minisitra ihany koa fa  vitsy ny boky amin’ny teny malagasy satria lafo loatra ny saran’ny fanontana azy. Manoloana izany indrindra dia ezaka goavana ho ataon’ny minisitera ny fanamorana ny fanontana boky. Ao anatin’ny varavarana misokatra no hiresahana izany. Nanamafy Rakotondrazafy Andriatongarivo Lalatiana fa fikoloana ny saina ny famakiana boky. Mampita fahalalana ny famakiana azy fa indrindra manampy amin’ny fifehezana ny fomba fanoratana ny teny malagasy ary aroriaka manoloana ny fivoaran’ny teknolojia toy ny fampiasana ny tambazotran-tserasera sosialy. Ho fanomezan-danja ny tontolon’ny boky sy ny vaky boky izay hatrany dia manohana ny tsenaben’ny boky izay atao ny 29 aprily ka hatramin’ny 3 mey eny amin’ny zaridainan’Antaninarenina ny minisitera.

Lynda A.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *