Socio-eco

VAKOK’IREO MPANJAKA SISA TSY MAY : Azo tsidihina eny amin’ny lapan’Andafiavaratra


Azon’ny olon-drehetra tsidihana ny mozea ao amin’ny lapan’Andafiavaratra izay misy ireo vakok’ireo mpanjaka nifan-dimby sisa tsy may tao amin’ny rovan’Antananarivo. Nisokatra ho an’ny rehetra izany mozea izany, izay nametrahana an’ireo vakoka ireo tao aorian’ny nahavitan’ny fiofanana ho an’ireo mpitahiry vakoka 26 manerana ny nosy. Vokatry ny RE-ORG no nahavitana izao fiofanana ho azy ireo izao. lapan'Andafiavaratra 1Mampiavaka an’ity toerana ity ny fisian’ny efitra natokana ho an’ireo ankizy sy mpianatra eny amin’ny ambaratonga fototra. Misy ny fampilalaovana ataon’ireo mpitahiry vakoka ao amin’ny lapan’Andafiavaratra ho an’ireo mpianatra amin’ny alalan’ireo tantaran’ireo mpanjaka teo amin’ny rovan’Antananarivo. Tonga nanokatra ny Mozea ao amin’ity lapan’Andafiavaratra ity ny Zoma 21 Jona 2019 teo ny Ministry ny serasera sy ny kolotsaina, Andriatongarivo Rakotondrazafy Lalatiana, ny solotenan’ny ambasadaorin’i Japon, Katagiri Kei, ny solon-tenan’ny UNESCO tamin’ny alalan’ny « conseiller régional pour la culture au sein du bureau régional », Monteil Karalyn. Notolorana mari-pankasitrahana izy 26 mianadahy ireo.

Marihana fa ny firenena japoney no namatsy vola ny taona 2015 izay notarihan’ny UNESCO. Fangatahana nataon’ny ministeran’ny serasera sy ny kolotsaina ny hanoizana ny fanatanterahana izao fitahirizana ny vakoka sisa tsy may tao amin’ny rovan’Antananarivo izao. Niarahana tamin’ny « comité National du conseil international des musées » (ICOM) sy ny « Centre International d’Etudes pour la conservation et la restauration des biens culturels »(ICCROM) ny fanatanterahana ny tetikasa. Nisy ihany koa ny fanamboarana madinidinika ny lapan’Andafiavaratra, toy ny fandokoana ny varavarana.

Ny efitrano faran’ny ambany ao amin’ny lapan’Andafiavaratra ihany anefa no misokatra ho an’ny daholobe nanomboka ny Zoma 21 Jona 2019 ka hatramin’ny volana septambra 2019. Hisokatra tsy hiato intsony izany ny volana Novambra 2019 ho avy izao ao aorian’ny fisian’ny fampirantiana ireo vakoka hafa vaovao.

Nirina R.


One comment on “VAKOK’IREO MPANJAKA SISA TSY MAY : Azo tsidihina eny amin’ny lapan’Andafiavaratra

  1. Pingback: VAKOK’IREO MPANJAKA SISA TSY MAY : Azo tsidihina eny amin’ny lapan’Andafiavaratra - ewa.mg

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *