Mahoraka

Vakinankaratra: Nahazo birao BCMM


Fotodrafitrasa lehibe, mendrika, misokatra ho an’ny rehetra manakaiky ny vahoaka: no notokonana ny maraina teo tetsy amin’ny fokontany Antsirabe avaratra.Ity birao ity no atao hoe BCMM “Bureau des cadastres Miniers de Madagascar” na Ivotoerana miandraikitra ny kadasitra eto anivon’ny Faritra Vakinankaratra.Ny Piraiminisitra Lehiben’ny governenmanta ny Jeneraly Jean RAVELONARIVO, niaraka tamin’ireo mpikambana vitsivitsy ao amin’ny governemanta no nanome voninahitra ny fotoana teto.

Ny voalohan’ny volana Avril 2015 no napetraka ny vato fototra ho fananganana ny Biraon’ny “Cadastre Minier “ eto Antsirabe, 29 janoary 2016 vita tanteraka ny trano misy rihana iray, fotodrafitrasa manaraka ny fenitra tanteraka ary mendrika ho biraom-panjakana ary notokanan’ny olom-baventy eto amin’ny firenena.Birao natao hanadaminana ny lamina rehetra momban’ny harena ankibon’ny tany mba hisorahana sy hialana amin’ny kolikoly.Fantartra teto fa ny 25% ‘ny mpikirakira ny harena ankibon’ny tany na mpitrandraka, na mpanodina dia avy eto vakinankartra avokoa, izany indrindra no nisafidianan’ny fitondram-panajkana ny Faritra Vakinankaratra nametrahana ity fotodrafitrasa ity.Ankoatran’ny Renivohim-paritany 6 dia mbola Ambatondrazaka sy Vakinankaratra no misy ny Biraon’ny BCMM ary efa an-dalana ny fananganana ny an’I morondava, Sambava ary Maevatanana.Ankoatran’ny fanapariahana ny BCMM manerana ny Nosy dia isan’ny vaindohan-draharahan’ny Ministera eo anivon’ny fiadidiana ny Repoblika misahana ny harena ankibon’nuy tany sy ny solika ny fametrahana n any “Mining business Center”, sehatra iray isahana ny lafiny ara-barotra reheat mahakasika ny harena ankibon’ny tany.

                        “Zone administratif”, ivon’ny biraom-panjakana rehetra

Isan’ny politika lehibe ho an’ny Faritra Vakinankaratra ny fametrahana toerana iray midadasika ary eo avokoa no ahitana ireo biraom-panjakana rehetra, izany dia natao mba tsy ahasahirana ireo vahoaka mila antokon-draharaha amin’ny fanjakana.Ny Faritra dia manana velaran-tany 12 ha eny amin’ny Piste na eny amin’ny Fokontany Antsirabe Avaratra.tanjona ny hanomezana ampahatany eo ho eo amin’ny 5a isaky ny sampandraharaha izay mbola tsy manana tany ahafahan’izy ireo manangana Biraom-panjakana.Amin’izao fotoana izao dia efa nahatsangana ny birao eo amin’ny 10a ny BCMM sy ny Foibem-paritry ny harena ankibon’ny tany sy ny solika, efa eo ampanaganana ihany koa ny Foibem-paritry ny asam-panjakana , ny fizahantany sy ny maro hafa ary mbola hanentanana  ny sampandraharaham-panjakana hafa hoy ny Lehiben’ny Faritra ANDRIANJANAKA Mandrindra Albert.Ny fametrahana ny fotodrafitrasa tahaka izao ihany koa dia manamafy ny fahavononan’ny fitondram-panjakana amin’ny fidirana amin’ny fitsinjaram-aphefana teny izy, manakaiky ny vahoaka ny fanjakana ary manamora ny asa rehetra.

Miditra amin’ny taona fahatelo izao ny fitondram-panjakana hoy ny Piraiminisitra, taona fahatelo efa hijinjana ny vokatra natao satria napetraka tany ampiandohana ny fototra ankehitriny efa fotodrafitrasa mitsangana sy mijoalajoala no mitsangana, midika izany fa miasa ary mijery izay mahasoa ny vahoaka ny fanjakana.Ny fotodrafitrasa tahaka itony mantsy dia miantsy sy manetsika ny fampandrosoana eo amin’ny faritra misy azy ary mipaka amin’ny firenena iraimanontolo.Noho izany tokony hisy hatrany ny fifanomezan-tanana amin’ny rehetra mba hitohizany fahombiazana tahaka izao ka handroso hatrany dehetra rehetran hampiakatra ny toekarentsika.

Ny filohan’ny filankevitry ny BCMM andriamatoa Jobarson sady mpanolo-tsaina manokan’ny Filoham-pirenena no tompondraharaha niaraka tamin’ny Minisitra Joeli Valérien LALAHARISAINA , Minisitra eo anivon’ny fiadidiana ny Repoblika miadidy ny harena ankibon’ny tany sy ny solika.Nanotrona ny Piraiministra Lehibnen’ny Governemanta teto ihany koa ny Minisitry ny fambolena Ravatomanga Rolland, ary ireo mpiara-miasa akaiky amin’ny Piraiminisitra Lehiben’ny Governemanta.Ho an’ireo Mpitantana aty Vakinankaratra dia teo avoka ny avy ao amin’ny Prefektiora notarihain’ny Prefet Antsirabe Ramatoa Andriatomponera Voahagiharimino Nalisoa, ny lehiben’ny Faritra Vakinankaratra ANDRINAJANAKA Mandrindra Albert sy ireo mpiara-miasa aminy akaiky ary ireo manam-boninahitra sivily sy miaramila avy aty Vakinankaratra.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *