Socio-eco

USAM: Inona no sendikalsima mendrika eto Madagasikara?


 Nivoaka ny boky nosoratan’i Samuel Rabemanantsoa, sendikalista. “Inona no sendikalsima mendrika eto Madagasikara? ” ny lohatenin’ny boky  ary misy andiany roa.  Mirakitra ny tantaran’ny sendikà  ny boky voalohany ary ny fitantanana ny sendikà kosa ny boky faharoa.  Natonta tamin’ny dika teny Malagasy sy teny Frantsay ireo boky ireo.  Efa azo jifaina eny amin’ny trano fivarotam-boky avokoa izany. 52.000 Ariary ny dika teny Malagasy sy Frantsay amin’ilay boky voalohany. 35.000 Ariary kosa ny vidin’ny boky faharoa amin’ny teny Frantsay ary 30.000 Ariary ny teny Malagasy.

Manampy ny sendikà

785.400 ny isan’ny mpiasa amin’ny sehatra ara-dalàna. Araka ny salan’isa notononin’ny Samuel Rabemanantsoa, sekretera jeneralin’ny USAM (Union des syndicats  autonomes de Madagascar) teo aloha fa  telo isan-jato amin’ny vinavina ny isan’ny mponina eto Madagasikara (25 tapritrisa). Miasa amin’ny sehatry ny tsy ara-dalàna ny ankoatran’izay. Santionany ao amin’ny boky voalohany ny asan’ny sendikà, ny  fiaraha-miasa sendikaly, ny rafitra sendikaly. Voalaza ao anatin’ny boky faharoa kosa ny fomba fitantanana ny sendikà amin’ny ankoban’andro sy amin’ny fotoana an-tery. Eo ihany koa ny zotra hananganana sendikà amin’ny sehatra tsy manara-penitra.

Lynda A.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *