Socio-eco

TOSIK’ART: Fifaninanana mamorona orinasa amin’ny sehatry ny kolontsaina


Asa mahavelona ny fandraharahana ara-kolontsaina. Mbola sakana tsy mampiroborobo ny indostria ara-koltoraly eto amintsika anefa ny lafiny ara-bola, ny ara-teknika, ny tsy fahampian’ny traikefa, ny tsy fahampian’ny foto-drafitr’asa sy ny maro hafa. Manoloana izany, nanapa-kevitra ny ministeran’ny serasera sy ny kolontsaina (MSK) ho fanosehana ireo mivelona amin’ny kanto ho lasa matihanina. Amin’ny alalan’ny tetikasa “Tosik’Art” no hanampiana ireo manana tetikasa amin’ny sehatry ny kolontsaina. Miendrika fifaninanana izy ity ka hahazo fampiofanana miaraka amin’ireo matihanina momba ny fandraharahana ara-kolontsaina  sy fananganana orinasa ny  tompona tetikasa 20 voalohany voasafidy. Aorian’izay dia mbola hiatrika fifantenana izy ireo ka hahazo famatsiam-bola ny tetikasa dimy mendrika indrindra. Mitentina 20 tapitrisa Ariary ny loka ho an’ny voalohany, 15 tapitrisa Ariary ho an’ny faharoa, 10 tapitrisa Ariary ho an’ny  fahatelo, 5 tapitrisa Ariary ny fahaefatra ary 2.500.000 Ariary ny fahadimy.  Mbola ho arahi-maso  ireo mpandresy amin’ny fifaninanana mba hizotra araka ny tokony ho izy ny fanatanterahan’izy ireo ny tetikasa,  araka ny fanazavan’ny tale jeneralin’ny OFNAC (Ofisy Nasionaly misahana ny kanto sy ny kolontsaina), Rakotondrabe Niry nandritra ny lanonana fampahafantarana ny tetikasa “Tosik’Art”, ny 2 aogositra 2019 teny Soarano.

 Hisokatra amin’ny alatsinainy 5 aogositra 2019 ny fisoratana anarana ary tsy hifarana izany raha tsy ny 15 septambra 2019. Olona iray na vondron’olona mizaka ny zom-pirenena malagasy, 21 ka hatramin’ny 45 taona, manana tetikasa iray amin’ny sehatry ny kanto  toy ny dihy, ny teatra, ny sary, ny feo, ny zaitra, ny  jeu vidéo… no afaka mandray anjara. Azo raisina eny amin’ny ministeran’ny serasera sy ny kolontsaina na  ny tranom-bokim-pirenena Anosy na sintonina ao amin’ny tranokalan’ny ministera ny taratasy fisoratana anarana. Averina miaraka amin’ny horonan-tsary dimy minitra mirakitra ny mombamomba ny tetikasa, ny kopia kara-panondro sy ny fanamarinam-ponenana  izany rehefa feno. Ho an’ireo any amin’ny faritra na avy  eto Antananarivo dia afaka alefa  amin’ny  alalan’ny mailaka tosik’art.msk@gmail.com ny dosie. Nohamafisin’ny minisitry ny serasera sy ny kolontsaina, Rakotondrazafy Andriatongarivo Lalatiana fa ho fampiroboroboana ny indostria ara-kolontsaina sy hanosehana ireo mpiangaly kanto ity tetikasa “Tosik’Art” ity.

Lynda A.

 


3 comments on “TOSIK’ART: Fifaninanana mamorona orinasa amin’ny sehatry ny kolontsaina

  1. Pingback: TOSIK’ART: Fifaninanana mamorona orinasa amin’ny sehatry ny kolontsaina - ewa.mg

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *