Socio-eco

FAMPIRANTIANA NY TANTARA ARA-TOEKARENA: Hahaizana mitsinjo ny ho avy


Noho ny fanohanan’ny ministeran’ny serasera sy ny kolontsaina (MCC), nanomboka  ny 9 aprily 2019 fampirantiana ny tantaran’i Madagasikara ara-toekarena. Eny amin’ny tranom-bokim-pirenena Anosy no ahitana izay hatramin’ny 19 aprily 2019. Hetsika iarahan’ny orinasa misehatra amin’ny fitantanana FTHM Consulting sy ny Oniversite Antananarivo, fakiolten’ny ekonomia, ny fitantanana ary fiarahamonina, departemanta ekonomia izy ity. Ho hita eny amin’ny tranom-bokim-pirenena Anosy ireo tantaran’i Madagasikara ara-toekarena nanomboka ny taona 1960 no mankaty. Lohahevitra noraisin’ny mpikarakara tamin’ity andiany faha-2 ity ny hoe: “ny fitantanana, lakilen’ny fampandrosoana”.

Nambaran’ny mpiara-miombona ao amin’ny FTHM, Pierre Bernard Alain fa vitsy ny mahafantatra ny tantara ara-toekarena. Ilaina anefa ny mahafantatra ny zava-misy mba hahaizana mamolavola drafitra tena izy ho fampandrosoana an’i Madagasikara, hoy hatrany ny fanazavany. Nilaza ihany koa izy fa afahana mitsinjo sy manarina ny ho avy ny fahafantarana ny lesoka teo amin’ny tantara. Nanamafy ny minisitry ny serasera sy ny kolontsaina, Rakotondrazafy Andriatongarivo Lalatiana nandritra ny lahateny nataony tamin’ny fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny fampirantiana fa hatramin’izay dia tsy misy miraharaha ny lafiny ara-kolotsaina mihitsy rehefa miresaka fampandrosoana ara-toekarena. Izany indrindra no antony nampiantranoan’ny MCC ity fampirantiana mba hanairana ny sehatra miankina amin’ny fanjakana sy ny sehatra tsy miankina mba hanome lanja ny lafiny kolontsaina mba tsy handringa ny fampandrosoana. Manoloana izany dia antsoina ireo mpianatra fa indrindra eny amin’ny lisea, eny amin’ny ambaratonga ambony, mpanapa-kevitra ara-politika sy ara-toekarena, ny olon-rehetra ho avy hitsidika ny fampirantiana. Hisy ny fitetezam-paritra ho ataon’ny mpikarakara ka any Antsirabe no atao ny fampirantiana manaraka.

Lynda A.


One comment on “FAMPIRANTIANA NY TANTARA ARA-TOEKARENA: Hahaizana mitsinjo ny ho avy

  1. Pingback: FAMPIRANTIANA NY TANTARA ARA-TOEKARENA: Hahaizana mitsinjo ny ho avy - ewa.mg

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *