Socio-eco

TONTOLO IAINANA: Entanina ny olom-pirenena hampiasa fitaovam-pivezivezena tsy mandoto izany.


Andro natokana ho an’ny tontolo iainana maitso ny alahady 03 desambra 2017. Manentana ny olom-pirenena hampiasa ny  fitaovam-pivezivezena tsy mandoto ny tontolo iainana toy ny fandehanan-tongotra, bisikileta… ny  Ministeran’ny tontolo iainana, ny haivoahary sy ny ala, ny Ministeran’ny tanora sy ny fanatanjahantena. Mifanindran-dalana amin’ny hetsika Marathon International de Tana (MIT) karakarain’ny World Trade Center  izy ity. Nambaran’ny Ministry ny tontolo iainana, Johanita NDAHIMANANJARY fa ho fanamafisana ny fiarovana ny tontolo iainana  ity “journée verte sans circulation” ity.

 Ho tanterahina ny 02 sy ny 03 desambra 2017 ny MIT. Fifaninanana  hazakazaka handraisan’ireo atleta Malagasy sy avy any ivelany izy ity. Misy ihany koa ny fifaninanana natokana ho an’ny orinasa, fianakaviana, ankizy.

Marihina fa toko telo iompanan’ny  hetsika ny fahasalamana, fanatanjahantena ary ny tontolo iainana.

Nirina R.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *