Edito

TOKONY AVERINA AMIN’NY FANJAKANA NY TANY…


Olana goavana ny fananan-tany eto Madagasikara ary tsy mbola nahitam-bahaolana hatramin’izao. Na dia efa misy aza ny volavolan-dalana tonga eny amin’ny antenimierampirenena  izay efa kian’ny fiarahamonim-pirenena sahady ireo andininy sasan-tsasany. Zava-dehibe kosa anefa ny famerenana amin’ny fanjakana ny tany misy ny  « Villa Elisabeth » namidin’ny fanjakana tetezamita tamin’ny Mada terrain. Namoahan’ny   Minisitera eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika misahana ny Tetikasan’ny Filoham-pirenena, ny Fanajariana ny Tany ary ny Fampitaovana(M2PATE) tany « arreté ministeriel » izany tany izany. Mangataka ihany koa ireo mpanakanto ny hamerenana ny tanin’i Gégé Rasamoelina izay lasan’ny olona amin’ny fomba tsy mazava. Maro ny mihevitra fa betsaka ireo tany tokony averina amin’ny fanjakana.

Averina amin’ny fanjakana.

Nahoana tokoa raha averina amin’ny fanjakana avokoa ny tany rehetra eto Madagasikara ? Foana amin’izay ny ady tany izay mampiteny ny moana. Ho foana ny kolikoly mambotry ny madinika sy ny firenena manontolo. Tsy ho heno intsony ny teny hoe « rovitra ny boky , tsy hita ny boky , miverena amin’ny herinandro,… ». Ho foana ny tambajotran’ny mpangalatra tany. Tsy ahitana mpanera intsony eny amin’ny biraon’ny fananan-tany sy fandrefesan-tany manerana an’i Madagasikara.

Manofa amin’ny fanjakana.

Rehefa miverina amin’ny fanjaka ny tany rehetra, an-jarany  ny mitantana izany. Mety ho ampanofainy na akana hetra ireo mampiasa. Rehefa tsy mahafeno ny fepetra ny mpampiasa , esorina aminy avy hatrany ny tany. Efa fanaon’ny tantsaha raha teo ny manofa tany na manome am-pahany izay ifanarahany amin’ny tompon’ny tany. Hanana tany avokoa ny Malagasy rehetra raha izany no tanterahana. Hazoto hamboly ireo tantsaha izay tsy manana tany ny ankabeazany. Mitovy zo ny Malagasy rehetra izay monina sy miary eto amin’ny taniny amin’izay fotoana izay. Ho afaka ny elanelana eo amin’ny mponina tsy manana tany hivelomany sy ny  manana velaran-tany betsaka mipetra-potsiny.

Nirina R.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *