Socio-eco

TIM IVATO: “Hisintona ny olona avy any ivelany”.


Tonga nanotrona ny fitsangatsanganan’ny mpikambana ao amin’ny antoko Tiako i Madagasikara (TIM) eny amin’ny kaominina Ivato ny Filoha teo aloha Marc RAVALOMANANA.  Hentitra ny teniny nandritra ny  kabary nataony. “Mila  manaraka ny  fitsipiky  antoko ny mpikambana”, hoy izy.  Nanao tatitra ny asa vitany tamin’ity taona ity tamin’ny Filoha Nasionalin’ny TIM sy ireo delegasiona nanaraka azy ary ny vahoaka  nandeha tamin’ny  fitsangatsanganana  tamin’ny sabotsy 16 desambra 2017  teo  ny Ben’ny Tanana ny kaominina Ivato, Penjy RANDIRANARISOA,  izay avy ao amin’ny antoko TIM ihany.

Nambaran’ny Ben’ny Tanana fa lalana mirefy 20 km no vitan’ny kaominina “ beton”  amin’izao fotoana izao.  Niampy efitrano sekoly ho an’ny mpianatra ambaratonga fototra (EPP) roa sy tobim-pahasalamana ho an’ny daholobe (CSBII) ny foto-drafitr’asa nataon’ny kaominina. Nahazo famatsiam-bola avy amin’ny fitondram-panjakana ihany koa ny kaominina. Hanamboarana ny tsena amin’ny kaominina Ivato izany.

Mandeha ny feo fa misababaka ny Ben’ny Tanana satria miara-miasa amin’ny fitondram-panjakana izay mivondrona ao amin’ny antoko HVM. Nilaza ny Ben’ny Tanana fa hisintonana ny olona avy ivelany  amin’ny alalan’ny  asa vita vita no andraikiny  fa tsy  ho ny tenany  velively no voasintona ho an’ny amin’ny antoko politika hafa.

Nirina R.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *