Socio-eco

TETIKASA ARA-JAVAKANTO : Tanora mpanankato Malagasy miisa 6 nahazo tohana ara-bola avy amin’ny Fonds Yavarhoussen


Tetikasa ara-javakanto misy fiantraikany amin’ny fiarahamonina. Nampafantarina tamin’ny fomba ofisialy ny 26 janoary 2O23 teny Ankadimbahoaka  ireo tetikasa ara-javakanto  mendrika indrindra tamin’ny fifaninanana “demain sera mien”.  Ny Fonds Yavarhoussen niaraka tamin’ny Hakanto Contemporary sy ny Africa Prime Initiative (API)no mikarakara izany. Tetikasa ara-javakanto momba ny jery sy ho an’ny vanim-potoana ankehitriny no lohahevitra tamin’ity andiany faharoa ity. Tetikasa 40 no voarain’ny Fonds Yavarhoussen taorian’ny antso nataony. Ny enina (06) tamin’ireo no voasafidy hahazo ny tohana ara-bola mitentina fito (07) tapitrisa Ariary. Anisan’ireo tanora mpanakanto Malagasy nahazo ny amboara Raveloson Volana na i Ms V tamin’ny alalan’ny tetikasa “I am woman of color”, Randriamifidy Fitia na i Sanka tamin’ny alalan’ny tetikasa “ Ireto maso  mijery ahy, mibanjina anao mampitamberina”, Ranarivelo Rose kely tamin’ny alalan’ny tetikasa “Tsarasaotra”, Ratovo Richianny  tamin’ny alalan’ny tetikasa  “saribakoly vorodamba”, Rasoloharivony Andy tamin’ny alalan’ny tetikasa “L’urgence de la foi” ary Ratovo Fitiavana tamin’ny alalan’ny tetikasa “Iray lalana”. “Betsaka ny tanora mpanakanto manana hevitra tiana ho velamberina ao anatin’ny kanto. Araka tenin’ i Ms V hoe dia ny enti-manana hanaovana ny asa maha mpanakanto no tsy ampy ka izay no nisarika ny  Fonds Yavarhoussen hanampy ny mpanakanto satria afaka mitondra fampandrosoana ihany koa ny mpanakanto”, hoy Razafimandimby Vatosoa, tomponandraikitry ny tetikasa ao amin’ny Fonds Yavarhoussen nandritra ny fizarana ny amboara ho an’ireo mpanakanto mendrika indrindra tamin’ny fifaninanana “demain sera mien” andiany faharoa. Nambarany fa olona manana ny lanjany ao anatin’ny  fiarahamonina ny mpanakanto ary  afaka atao asa fivelomana tsara ny kanto toy ny any ivelany.

Andry ho an’ny  fampandrosoana

Miara-miasa amin’ny Hakanto Contemporary ny Fonds Yavarhoussen tamin’ny fifantenanana ireo tetikasa ara-javakanto  –  “demain sera mien II”. Ivon-toerana manandratra ny kanto  voalohany eto amin’ny ranomasimbe Indiana noforonin’ny Fonds Yavarhoussen izy ity. Ho fanampiana  ny mpanakanto, indrindra ny tanora mpanakanto sy ho fampiroboroboana ny kanto ataon’izy ireo no antom-pisiany.  “ Mahatsapa izahay fa andry ho an’ny  fampandrosoana ny firenena iray ny kanto ka izany no  nisarika  anay hanohana ireo mpanakanto”, hoy Rakotoarimanana Miora, tomponandraikitra ao amin’ny Hakanto Contemporary Ankadimbahoaka. Hanampy  an’ ireo tanora mpanakanto  miisa 6, nahazo ny amboara tamin’ny “demain sera mien II” amin’ny fanantanterahana ny tetikasan’izy ireo ny  tohana ara-bola nomena  azy ireo. Anisany nisafidianana azy ireo ny maha tetikasany misy fiantraikany amin’ny fiarahamonina. Ho an’i Ms V dia miompana amin’ny fanomezana lanja ny vehivavy malagasy eo anivon’ny fiarahamonina no sangan’asa an-tsary ho ataony. Hampanembona ny kilalao malagasy fahiny sy hampibanjina ny ho avy kosa ny sangasan’i Ratovo Richianny Ratovo mitondra ny lohanteny hoe “saribakoly vorodamba”. Haneho ny lanjan’ny fianakaviana amin’ny alalan’ny sangan’asany i Rose kely. Haneho an-tsary  ny  maha zava-dehibe ny finoana ihany koa  i Andy ary hanamafy ny lanjan’ny firaisan-kina i Fitiavana.

Ra-Nirina.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *