Socio-eco

TETEZAMITA MAHARITRA : Lesona avy amin’ny tantara, tsy mahasoa ny toekaren’i Madagasikara


Misokatra ao amin’ny La Cité des Cultures Antaninarenina ny 5 ka hatramin’ny 27 janoary 2026 ny fampirantiana manokana momba ny tantaran’ny toekaren’i Madagasikara nandritra ny 1300 taona, karakarain’ny FTHM Consulting miaraka amin’ny Departemantan’ny Tantara ao amin’ny FLSH – Oniversiten’Antananarivo.

Tanjona lehibe amin’ity hetsika ity ny hampahafantatra ny Malagasy, indrindra ny tanora sy ny mpianatra, ny fivoaran’ny toekarena malagasy hatramin’ny taona 400, fotoana nanombohan’ny firenena niditra tao anatin’ny varotra iraisam-pirenena. Aseho amin’ny sary sy lahatsoratra ny fiakarana sy fidinan’ny toekarena, ary ampiasaina ny tantara hanazavana ny zava-misy ankehitriny.

1972 : fiandohan’ny fitotongan’ny toekarena malagasy

Araka ny fanazavan’i Rajaona Thierry, mpanorina ny FTHM Consulting, dia niakatra tsikelikely ny harinkarenan’i Madagasikara nanomboka tamin’ny fahaleovantena ka hatramin’ny taona 1972. Taorian’ny krizy politika tamin’io taona io anefa dia niditra tao anatin’ny fitotonganana maharitra ny toekarena, izay mbola tsapa mandraka ankehitriny.

Nasehon’ny tantara fa ny tetezamita naharitra no anisan’ny antony lehibe nampitotongana ny toekarena. Anisan’izany ny tetezamita : 1972–1973 (Ramanantsoa), 1991–1993 (HAT), 2009–2014, izay naharitra indrindra ary niteraka fihenan’ny harinkarena goavana.

« Isika izao anatina tetezamita, roa taona. Raha ohatra ka amin’ny maso tsy miangatra dia mipetraka ny fanontaniana : hitondra soa ho an’ny firenena ve satria raha jerena ny tantara tsy mitondra soa izay. Inona no  lesona azo tsoahina :mbola tohizatsika ve izay sa ataotsika  ny ezaka ka atao izay hahafoy ny tetezamita mba ahafahana manorina zavatra haingana »,hoy i Rajaona Thierry.

Manamafy ny fampirantiana fa tsy mitondra vokatra tsara ho an’i Madagasikara ny tetezamita maharitra.

Politika ara-toekarena sy ny fiantraikany

Nomarihin’i Rajoana Thierry ihany koa fa ny politika sosialista nampiharina nanomboka tamin’ny taona 1970, indrindra nandritra ny fitondran’i Ratsiraka Didier, dia vao maika nampihena ny fivelaran’ny toekarena. Etsy ankilany, nisy kosa fotoana nahitana fiarenana kely rehefa nampiharina ny politika “libérale” sy ny “libéralisation économique”, izay nanome fahalalahana bebe kokoa ho an’ny mpandraharaha sy ny olom-pirenena.

“Teo amin’ny tantaran’ i Madagasiakra na tamin’ ny fotoana tsy nisian’ny socialisme dia teo ihany koa ny mpitondra mifehy, nahatonga monopole économique izany hoe eo am-pelantanan’ny olom-bitsy ny haren’ny firenena. Izay no angalantsika lesona ka tsy tokony hisy intsony izany olom-bitsy manangona ny haren’ity firenena ity fa tokony mivelatra ary ny fanjakana tokony manampy amin’izany fampivelarana mba ahafahan’ny  rehetra mandray anjara”, hoy  hatrany ity mpandraharaha ity.

Fanarenana ara-toekarena : adidy maika

Manoloana ny fahantrana lalina misy eto Madagasikara, izay misy fiantraikany amin’ny fanabeazana, fahasalamana ary ny fiandrianam-pirenena, dia tokony hatao laharam-pahamehana ny fanarenana ara-toekarena. Nambaran’i Rajoana Thierry fa Ilaina ny politika mazava, ny fananganana drafitra maharitra ary ny vina lavitra ezaka, mba hahafahan’ny tanora Malagasy manorina ny hoaviny eto amin’ny firenena. “Tokony asiana olona eo amin’ny fitondrana izay afaka mamolavola , manantanteraka, mieritreritra, inona tokony atao amin’ny lafiny ara-eokonomika ahafahana miala amin’izao fahantrana izao”,hoy izy.

Amin’ny ankapobeny, manentana ny rehetra hibanjina ny ho avy amin’ny fahalalana ny lasa ity fampirantiana ity, satria ny tantara no fanalahidin’ny fanapahan-kevitra maharitra sy mahasoa ho an’i Madagasikara.

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *