Socio-eco

TECHFEST 2025: « Top 10 » maneran-tany ny ekipa malagasy


Ny ekipa malagasy irery ihany no ekipa aty afrika taviditra ao anatin’ny « Top 10 » maneran-tany tamin’ny Techfest 2025 natao tany Mumbai, Inde raha raha « Top 20 »  no tratra tamin’ny taon-dasa. Manaporofo izany fa manana fahaiza-manao ny tanora malagasy momba ny teknolojia. Nanome tohana ara-bola ny ekipa malagasy ny Orange Madagascar ary ny fikambanana STEM for Good Haute Matsiatra kosa nanohana ara-logistika  nahazoana izao vokatra izao. Ho an’i Orange Madagascar, laharam-pahamehana  maha harena olona, amin’ny alalan’ny fanofanana, fanohanana ary fanomanana ny tanora hiatrika ny sehatra iraisam-pirenena.

Ny techfest dia hetsika iraisam-pirenena lehibe momba ny teknolojia, siansa ary fanavaozana (innovation). Mandritra ny Techfest, ireo mpandray anjara dia mandalo fifaninanana henjana mifototra amin’ny robotika, programmation, intelligence artificielle. Mampivondrona ireo tanora mpamorona, mpikaroka, injeniera avy amin’ny firenena maro maneran-tany, mifaninana sy mampiseho tetikasa teknolojika avo lenta. Ho an’i Madagasikara, ny Techfest dia sehatra iray manan-danja ahafahan’ny tanora maneho ny fahaiza-manaony eo amin’ny sehatra maneran-tany, mahazo traikefa iraisam-pirenena ary manamafy ny toeran’ny talenta malagasy eo amin’ny tontolon’ny teknolojia sy ny nomerika.

Efa an-taonany maro i Orange Madagascar sy STEM for Good no mpiara-miombon’antoka amin’ny Minisiteran’ny Fampandrosoana nomerika, Paositra ary Fifandraisan-davitra (MNDPT). Ity taona 2026 dia marihina ho dingana vaovao hanafainganana bebe kokoa ity fiaraha-miasa ity, indrindra amin’ny alalan’ny hetsika tanterahin’ny Orange Digital Center.

Hohamafisina ihany koa ny fiaraha-miasa amin’i STEM for Good amin’ny alalan’ny tetikasa iombonana maro. Hanohana ny fampidirana nomerika ataon’ny Orange Digital Center ny STEM for Good, amin’ny fanomezana ny fahaiza-manaony sy ny fanentanana ireo mpanoro hevitra (mentors).

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *