Socio-eco

TATOU EVENTS: Hiverina mandritra “Tia M’teuf” ny kilalao Malagasy fahiny


Ho famerenana ny sotoaviana Malagasy amin’ny lafiny kilalao dia mikarakara hetsika ny “Tatou Events” ny alatsinainy 25 jona 2018. Eny amin’ny Villa verte Ambatomiarahavavy no hanatanterahina ny hetsika manomboka amin’ny 9 maraina mandra-parain’ny andro. Ho hita eny an-toerana avokoa ireo kilalao fanaon’ny kilonga Malagasy taloha toy ny tsikonina, katro, vitsiliha… Mirona any amin’ny fivoaran’ny teknolojia toy ny “jeu vidéo”, “facebook” sy ny maro hafa ny ankizy Malagasy amin’izao fotoana. Hany ka adino tanteraka ny kilalao taloha”, hoy ny mpikarakara, Vola Tatiana Ramanamihanta. Eny amin’ny super Music Analakely sy mandritra ny hetsika ny fividianana ny karatra. 10.000 Ariary ny saran’izany.
Amin’ny maha hetsika ara-kolontsaina ny “Tia M’teuf”, hampiavaka azy ny fampisehoana ara-java-kanto. Handray anjara amin’ny hetsika ny tarika Gasy Mihanta. Hivetso ny hira mamoa ny vakoka Malagasy izy ireo. Ho feno tanteraka ny fandaharam-potoana mandritra ny tontolon’ny andron’ny 25 jona 2018 mandra-parain’ny andro satria hanafana ny “Tia M’teuf” ihany koa ireo mpanakanto ankafizin’ny tanora toy an’i THT, Johane, Tann Faya, Melanie Walker, Jess Flavi One sy ny DJ Scotty sy Tee Jay Jerry. Nambaran’ny mpikarakara fa hisy ny fandefasana afomanga ny alin’ny 25 jona 2018.
Lynda A.

TATOU EVENTS: Hiverina mandritra “Tia M’teuf” ny kilalao Malagasy fahiny


One comment on “TATOU EVENTS: Hiverina mandritra “Tia M’teuf” ny kilalao Malagasy fahiny

  1. Pingback: TATOU EVENTS: Hiverina mandritra “Tia M’teuf” ny kilalao Malagasy fahiny - ewa.mg

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *