Sport

STARTIMES: Handefa ny Euro 2020 sy ny Emirates FA Cup ary ny FA Community Shield


Manome ny tsara indrindra amin’ny tontolon’ny fanatanjahantena. Tafakatra 30 tapitrisa amin’ny firenena 37 ny mpampiasa ny Startimes. Anisany nahatonga ity televiziona nomerika ity nahazo vahana teto Afrika io tarehimarika io. Tamin’ny fiandohan’ny volana aogositra 2019, nahazo alalana handefa ny Euro 2020, ho tanterahina ny 12 jona ka hatramin’ny 12 jolay ho avy izao ny Startimes. Ankoatra izany, afaka manaraka ny Coupe d’Angleterre de football « The Emirates FA Cup » sy ny Super-Coupe d’Angleterre « The FA Community Shield » hatramin’ny 2021 ny mpanjifan’ity televiziona nomerika ity. “Mikaroka hatrany ny fomba rehetra hanomezana ny tsara indrindra ho an’ny mpanjifa izahay.  Ny fahazoan-dalàna handefa ny lalao iatrehan’ireo ekipam-pirenena mivondrona ao amin’ny UEFA dia manampy amin’ny fanomezana ny tsara indrindra ho an’ny lalao baolina kitra mandra-pahatongan’ny coupe de monde manaraka”, hoy ny tale misahana ny fanatanjahantenan’ny Startimes, Shi Maochu.

Ho fanampin’izay, mbola namela kadoa ho an’ireo mpanjifa ingahibe Noely. Ho an’ireo rehetra manao réabonnement amin’ny “bouquet Basic” na “Smart” amin’ny vidiny 20.000 Ariary dia mahazo kadoa “bouquet supérieur” mandritra 30 andro. Ho an’ireo efa mampiasa ny bouquet supérieur amin’ny vidiny 40.000 Ariary dia mahazo 30 andro fanampiny. Mampahafantatra sahady ny orinasa fa ho avy tsy ho ela ireo “chaînes” sy programa vaovao.

Nirina R.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *