Socio-eco

STARTIMES: Fandaharana mampiala voly ranoray no hita ao amin’ny UP TV


Niova ho UP TV ny radio Plus TV. Fanavaozana lehibe entin’ny vondrona TVPLUS Madagasikara  sy ny  Startimes ity fanovana ny anaran’ny Radio Plus ho UP TV ity. Fialamboly 100 % no handeha ao amin’ity “chaîne” ity toy ny Doc Choc, UP Fashion, horonantsary vahiny nadika amin’ny teny malagasy… Lasa chaîne 111 no ahitana ny UP TV raha DTT ary 769 raha DTH. Zava-baovao entin’ny Startimes manome fahafaham-po ny mpanjifa ny fandefasana ny “série” “Los Bastardos”. Handeha ao amin’ny UP TV manomboka ny alatsinainy 20 jona 2022, amin’ny 08 ora sasany alina, ity horonantsary filipiana nadika amin’ny teny malagasy ity. “Tao anatin’ny telo taona nanana fiarahamiasa tamin’ny vondrona TV PLUS. Nahatonga nisafidy hanova fomba fijery ho UP TV  dia fahitana fa  ny 90 % ny televiziona eto Madagasikara dia chaîne mandefa ny zava-drehetra (généraliste) avokoa. Ny UP TV kosa dia fialamboly 100 %”, hoy i Zafera Joyce, tomponandraikitry ny serasera sy ny fifandraisana amin’ny daholobe nandritra ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety ny 18 jona 2022. Nambaran’ny mpanentana fandaharana ao amin’ny UP TV fa misy ny fandaharana nesorina sy nampiana. “Fandaharana vaovao ohatra ny UP Fashion, miresaka momba ny lamaody,  famoronana sy haihaingo malagasy. Eo ihany koa ny Doc Choc izay mandefa ireo zava-mitranga mahagaga eto Madagasikara, amin’ny teny malagasy ranoray”, hoy Rakotoarimanana Prisca. Azon’ny mpanjifa Startimes jerena ao amin’ny bouquet smart na basic  amin’ny vidiny 25.000 Ariary ity chaîne vaovao ity. 50.000 Ariary ny décodeur TNT ary 60.000 Ariary ny Satellite.

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *