Catégorie Socio-eco



MANABOOST: Tranokala mampiseho ireo antontan-kevitra, voka-pikarohana, horonantsary momba ny fampiharana ny Agroécologie eto Madagasikara


Efa betsaka ny mpisehatra  sy tetikasa manaparitaka ny fomba fambolena maharitra na «agroécologie» eto Madagasikara noho io teknikam-pambelana miaro ny tontolo iainana, mampiasa ny zava-misy eo an-toerana, miala amin’ny fampiasana akora simika kanefa ahazoana taham-pamokarana ambony. Continuer la lecture


POESAM 2023: Efa misokatra ny fisoratana anarana ho an’ireo Malagasy manana tetikasa misy fiantraikany amin’ny lafiny sosialy


Fifaninanana hanomezana tohana ara-bola ho an’ireo tetikasa mitondra ainga vao miompana amin’ny teknolojia vaovao sy fifandraisan-davitra ary misy fiantraikany mivantana amin’ny ara-tsosialy eto Afrika sy Moyen-Orient ny « Prix Orange de l’Entrepreneur Social en Afrique et Moyen-Orient » na POESAM. Nanomboka ny taona  2011 ny fifaninanana. Continuer la lecture


RIO TINTO QMM SY FMFP : Manolotra fiofanana momba ireo asa mbola vitsy kanefa betsaka ny orinasa mitady


Natao ho an’ireo tanora sy mpiasa ao amin’ny faritra Anosy. Hitondra fampiroboroboana ny fampananan’asa sy ny fampiofanana arak’asa  ary  fampandrosoana ara-toekarena  sy sosialy ao amin’ny  faritra Anosy  ny fandaharan’asa iarahan’ny Rio Tinto QMM sy ny Tahirim-bola ho an’ny fampiofanana arak’asa (FMFP). Continuer la lecture


HAINGO PARADIS: « Vonona hanome ny porofo amin’i Filoham-pirenena fa misy lohandohan’ny mpisorona manimba ny ministeran’ny fahasalamam-bahoaka »


Taorian’ny fivahinianany tao amin’ny fahitalavitra tsy miankina iray dia nitohy nanao valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety, ny alakamisy 13 aprily 2023, i Haingo Paradis momba ny raharaha mafana eo anivon’ny ministeran’ny fahasalamam-bahoaka. Continuer la lecture