Ny homamiadan’ny vozon’ny tranon-jaza no voalohany amin’ny homamiadana mahafaty olona be indrindra eto Madagasikara. 4060 ny tranga vaovao ary 2.690 ny vehivavy maty vokatr’io aretina io. Continuer la lecture
Catégorie Socio-eco
FITRANDRAHANA ELADRANO SY NY TONTOLONY : Mitrandraka hatramin’ny zaza sy ny ankizy
Fahaefatra mpanodrana eladrano na « Mica » maneran-tany i Madagasikara. Mampiasa zaza sy ankizy betsaka ny fitrandrahana azy eto amintsika. Maro ity harena an-kibon’ny tany ity eto Madagasikara fa any Atsimo no tena misy azy. Mahavoan’ny aretina Raboka na « tuberculose » ny fitrandraha azy rehefa tsy misy fitaovana fiarovana. Continuer la lecture
NOUVELLE FORMULE DE CARBURANT : TotalEnergies lance Excellium Formule 04, un carburant qui permet de faire plus de kilomètre, nettoie le moteur, et réduit l’émission de CO2
Un carburant de qualité supérieure avec trois avantages. Dans le cadre de la célébration de ses 100 ans, TotalEnergies a promis de continuer à innover. Continuer la lecture
VALORISATION DES DECHETS : Alpha Ciment signe un partenariat avec le parc naturel d’Ivoloina pour la donation de ses rebuts de ciment
Dans le cadre de ses actions en faveur de la préservation de l’environnement, Alpha Ciment a récemment conclu un accord de partenariat avec le parc naturel d’Ivoloina le 5 juin 2024 pour la donation de ses rebuts collectés pendant le processus de fabrication et de manipulation de ciment. Continuer la lecture
MPIASAN’NY ORANGE MADAGASCAR: Nanolon-tena hanentana ireo ankizy momba ny fiovan’ny toetrandro
Anisany voka-dratsy ateraky ny fiovan’ny toetrandro ny tsy fisian’ny rano, ny kere, ny tondran-drano. Continuer la lecture
ARETINA MAMANY LAVA: Azo hamaritana ny fahantran’ny firenena iray
Tokony nodidiana na natao “ opération césarienne” ny vehivavy tratry ny aretina mamany lava fa noho ny tsy fahampian’ny enti-manana na fahalaviran’ny toeram-pitsaboana dia tsy afaka nanao izany izy. Continuer la lecture
FANABEAZANA ARA-PANANAHANA FENO: Tsy feno ny fepetra ilazana fa “éducation complète à la sexualité (ECS) no atao raha toa ka misy banga ny fomba ABCDE
Voarara ny mitondra fitaovana mivoy ny fampiasana fomba fanabeazana aizana, ao anatin’ny kapaoty, hanaovana fampianarana eny anivon’ny sekoly, manomboka any amin’ny akany fibeazana ka hatrany amin’ny kilasy famaranana, araka ny naoty navoakan’ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena momba ny sahan’asa atao amin’ny lafiny fanabeazana ho an’ny fiainana mirindra (EVH) na ny fanabeazana ara-pananahana feno (ECS) atao eny an-tsekoly, ny 7 novambra 2023 (2023 -862/MEN/SG). Continuer la lecture
FAHASALAMANA ARA-PANANAHANA : Tsy mijanona amin’ny fitsaboana ny aretina fotsiny fa tokony hiantohana ihany koa ny ara-batana, ara-pihetseham-po, ara-tsaina ary ara-tsosialy
Raha te hiahy ny fahasalamana ara-pananahan’ny mponina dia tafiditra ao anatiny ny fanabeazana ara-pananahana feno (ECS), ny tolotra rehetra momba ny fandrindram-piterahana, Continuer la lecture
PRIX POLA 2024 : Nomena boky volafotsy noho ny dingana vitany ny mpanoratra malagasy Hary Rabary
Anisan’ireo mpanoratra afrikanina 5 nifaninana tamin’ny lalao famaranana Prix Orange du Livre en Arique (POLA) 2024 i Hary Rabary. Ny boky nosoratany mitondra ny lohateny hoe #ZaKoa, navoakan’ny trano mpanonta boky « Dodo Vole » no nandraisany anjara tamin’ny fifaninanana. Boky mirakitra tantara foronina miisa 39, natolotry ny trano mpanonta boky miisa 27, manerana ny firenena afrikanina 15 no nifaninana tamin’ny POLA andiany fahaenina. 5 tamin’ireo no tafiakatra tamin’ny dingana famaranana ka tao anatin’izany ny boky nosoratan’i Hary Rabary. Nanolotra boky volafotsy ho azy, ny 24 mey 2024, eny amin’ny tranom-boky monisipaly Analakely ny Filohan’ny Orange Solidarité Madagascar, Benja Arson noho ny dingana vitany nandritra ny fifaninanana. Marihana fa i Dibakana Mankessi avy ao Congo, tamin’ny alalan’ny boky « Le Psychanalyste de Brazzaville », navoakan’ny trano mpanonta boky « Les Lettres Mouchetées » no mpndresy tamin’ity taona ity, izay nisolo toerana ny mpanoratra malagasy Rakotoson Michèle, mpandresy tamin’ny POLA 2023.
Boky voalohany nosoratan’i Hary Rabary, “médecin gynécologue” i #ZaKoa. Dikan’ny #MeeToo amin’ny teny gasy io sangan’asany io izay mitantara ny ady natrehan’ny tovovavy mpianatra iray niharan’ny fanolanana, nanana finiavana hiady amin’ny fandrabirabiana sy tsy hibaby henatra. Mampiseho ny asa ataony amin’ny maha “gynécologue” ihany koa ary miresaka ny lohahevitra mafana sy fady eo Madagasikara sy any amin’ny toeran-kafa. Nankasitraka ireo mpikambana 34 tao amin’ny komity mpamaky boky teto Madagasiakra ihany koa ny Orange Solidarité. Notolorana taratasy mari-pankasitrahana izy ireo ka mpiasan’ny Orange Madagascar ny 20 tamin’izy ireo. Tsara ny mampatsiahy fa noforonin’ny Fondation Orange ny taona 2019 ny POLA ho fanandratana ny talentan’ny mpisehatra amin’ny literatiora afrikanina sy ho fampiroboroboana ny trano mpanonta boky eto Afrika.
Ra-Nirina
MAMANY LAVA : Aretina mety ahazo ny vehivavy aorian’ny fiterahana
Hiaran’ny fanilikilihana ny vehivavy mamany lava. Aty amin’ny firenena mahantra sy andalam-pandrosoana no betsaka tratrin’ity aretina iray ity. Continuer la lecture


