Socio-eco

Soatanana Atsimo sy Avaratra : Santionany santatry ny Fampihavanana


Raha tontosa tamin’ny taona 2016 ny fanatsarana ny famatsian-dranomadio fisotro tao Soatanana (tanàna Atsimo, Fifohazana FFPM), dia tanteraka ny dinika santatra ho fampihavanana ny roa tonta dia ny tanàna Atsimo sy ny tanàna Avaratra. Ny talata tapak’andro maraina 14 novambira 2017 no nisehoan’izany, tao amin’ny biraon’ny Commune Rurale Soatanana (distrika Isandra, faritra Matsiatra-Ambony).

 Tao amin’io toerana tsy an’ny atsy tsy an’ny roa io no nifamotoana ny solontena avy amin’ny tanàna roa tonta. Teo ambany fitarihin’ny Lefitry ny Ben’ny tanàna (izay Apostoly avaratra) sy ny Pastora FLM Soatanana ny fotoana, ka natomboka sy nofaranana tamina vavaka, izay mampiavaka indrindra ny CR Soatanana amin’ny CR an’arivony manerana an’i Madagasikara. Tonga tany ifotony notarihin’ny Mpiandraikitra Sera sy Fifandraisana Ivelany tobilehibe Soatanana hizaha sy hanadihady ny mahamendrika ny hanorenana toerana fidiovana sy fivoahana anankiroa (deux blocs sanitaires) ny Sekretera Jeneralin’ny “Eau sans Frontières” Philippe Jacq sy ny filohan’ny ONG Santé & Développement Maurice Collin, samy avy any Frantsa. Teny nomen’ny Dr Maurice Collin izany fony izy nitokana ny famatsian-dranomadio fisotra tao Atsimo io fiverenany io, raha toa ka misy anjara biriky azony hatao entina hampifanatonana ka mety hampiravina ny fifandraisana sy fihavanana. Tamim-pahatsorana sy tamim-pifaliana ary am-pirahalahiana tokoa no nifanakalozan-kevitra sy namaliana ireo fanontaniana masiaka sy variraraky ny mpamatsy vola nentina nandresen-dahatra azy ireo hikaroka volabe enti-manana ny fanorenana ireo “blocs sanitaires” roa ireo ka samy hanana ny azy ny roa tonta. Hiezaka handresy lahatra ny mpisehatra rehetra malala-tanana any ampita ireo Frantsay mirahalahy ireo hahatontosa ny fanorenana izay hidika ho marika hitamason’ny famerenana indray ny fifandraisasna sy fihavanana any Soatanana ho toy ny talohan’ny taona 1954 nitrangan’ny fisaraham-bazana.

Rehefa avy namangy am-panajana ny Raiamandreny tao Avaratra (Mama vadin’i Dada Ravita Petera) ny rehetra, dia nitsidika an’i Mama tao Atsimo (Ra-Cathérine vady navelan’i Dada Rajosoa). Taorian’izany dia niray latabatra niara-nihinana ny masaka niombonan’ny roa tonta ny fikarakarana izany. Samy niezaka nanao “Didy Vaovao” (Jao. 13, 34) araka ny Teny filamatra nomen’ny Tompo an-dRangahy Rainisoalambo ny roa tonta.

RAZAKA Oliva


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *