Socio-eco

S’M.B.A: Hanana ny toerany ny « mobile banking ».


Hampahafantatra bebe kokoa ny fomba fampindramam-bola sy ny tombontsoa azo avy amin’ny fampiasana ny « mobile banking » ireo mpandray anjara amin’ny « Salon de la Microfinance, des banques et des assurances » na S’M.B.A. Orinasa mpampindram-bola madinika, banky, tranom-piantohana miisa 17 no hampiranty ny tolotra omen’izy ireo ny mpanjifa. Ny 28 sy ny 29 novambra 2017, eny amin’ny Lapan’ny Tanana Analakely no hanatanterahana ny hetsika « Salon de la Microfinance, des banques et des assurances »na S’M.B.A.
Ho avy hanatevin-daharana ny hetsika ihany koa ny orinasan-tseratsera Airtel sady mpanohana ofisialy ny hetsika. « Efa miroborobo eto Madagasikara ny fampiasana vola amin’ny alalan’ny finday (Mobile banking). Fotoana ahafahan’izy ireo hihaonana mivantana amin’ny mpanjifa ity hetsika ity mba hampahafantarana  ireo  tombontsoa azo avy amin’ny mobile banking”.

Tolotra asa.
“Afaka mitondra CV ihany koa ny mpitsidika satria manana karazana asa, fiofanana manodidina ny vola ny mpandray anjara”. 17 izy ireo ka hiparitaka amin’ny trano heva 30  mandritra ny roa andro. 5.000 kosa ny mpitsidika andrasan’ny mpikarakara avy ao amin’ny EDITCOM.
Nirina R.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *