Socio-eco

SEKOLY NOMERIKA: Niampy 11 indray


Mitohy hatrany ny fametrahana sekoly nomerika eto Madagasikara miaraka amin’ny Orange, amin’ny alalan’ny  orange solidarité de madagascar.  Sekoly nomerika miisa 11 indray no  lasa sekoly nomerika nanomboka tamin’ny fiandohan’ny volana mey 2022. Noho izany dia miisa 168 ny sekoly nomerika manerana an’i Madagasikara ankehitriny. Anisan’izany ny EPP Alarobia Manandriana, Ambatofinandrahana,  Maherifody Sambava, Ambohitrimo ary ny CEG Fiaferana. Voasafidy hisitraka ny tetikasa ihany koa ny EPP Soavinandriana  sy ny CEG Anosibe Ifanja. Manana sekoly nomerika dimy (05) izany izao ny faritra Itasy. Nahazo fitaovana avy amin’ny fikambanana  Orange Solidarité de Madagascar ireto sekoly ireto toy ny  “tablettes,  serveur Raspberry, laptop, vidéoprojecteur,  speaker” ary  “casques”. Mahazo fiofanana avy amin’ny mpiasa mpilatsaka an-tsitrapo avy amin’ny orinasa Orange ireo mpampianatra amin’ny fampiasana azy ireto.

Miara-miasa amin’ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena (MEN) ny fikambanana amin’ny fanatanterahana ity fandaharan’asa ity. Ny ministera no mankato ireo sekoly  hisitraka izany.  Anisany anjara biriky entin’ny MEN ihany koa ny fanomezana ireo fandaharam-pianarana ampianarina amin’alalan’ireo fitaovana nomerika. Fanamorana ny fampitana ny fampianarana amin’ny alalan’ny nomerika rahateo no anton’ny fandaharan’asa sekoly nomerika. Nambaran’ny filohan’ny Orange Solidarité, Arson Benja fa mandray anjara amin’ny fampiroboroboana ny fisitrahana ny nomerika ny Orange Madagasikara  amin’ny alalan’ny tetikasa sekoly nomerika. Mitondra ny anjara birikiny amin’ny fampihenana ny elanelana noho ny nomerika sy fanatsarana ny kalitaon’ny fampianarana ihany koa ny fisian’ny tetikasa. Tsy adino ihany koa fa “manampy ny mpianatra tsirairay hahay hikirakira ny nomerika na inona na inona fari-piainan’izy ireo na ny fiarahamonina misy azy”. Nanomboka tamin’ny 2014 ka hatramin’ity taona 2022 ity dia tablettes miisa 7000 no voazara ary notsinjaraina tamin’ireo sekoly nomerika miisa 168 miparitaka manerana ny Nosy .

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *