Namoaka fehin-kevitra momba ny volavolan-drafitra ho an’i Madagasikara ny SECES sampana Antananarivo. Mahatsiaro ho manana andraikitra sy adidy eto amin’ny firenena ny SECES (Sendikan’ny Mpampianatra-Mpikaroka sy Mpikaroka-Mpampianatra) ka nandroso fehin-kevitra volavolan-drafitra ho an’i Madagasikara mikasika ny rafi-pitondrana, ny fitsarana,momba ny lalam-pifidianana,mikasika, ny rafitra ara-toe-karena, rafi-panabeazana, ny rafitra ara-koltoraly sy fikarohana.
Raha ny mikasika ny rafi-pitondrana noresahana dia tokony ho rafi-pitondrana voadinika tsara no tokony hajoro eto Madagasikara mba tsy hisian’ny kitranoatrano sy kinamanamana. Rafi-pitondrana miainga eny ifotony ka mahafoana ny tsirefesimandidy sy ny fanararaotam-pahefana no ilaina araka izany. Misy ihany koa ny rafi-pitondrana tokony ho ravàna, ohatra amin’izany ny antenimierandoholona ka soloina antenimieran’olon-kendry sy filan-kevi-pirenena momba ny toe-karena sy sosialy. Mila hajoro ny fahefana feno na rafitra mpanara-maso mba hanasazy ny mpanao ny tsy mety eto amin’ny tany sy ny firenena.
Tojo (stagiaire)


