SECES 2 Socio-eco

SECES SAMPANA ANTANANARIVO: Tokony ho ravàna ny antenimierandoholona


Namoaka fehin-kevitra momba ny volavolan-drafitra ho an’i Madagasikara ny SECES sampana Antananarivo. Mahatsiaro ho manana andraikitra sy adidy eto amin’ny firenena ny SECES (Sendikan’ny Mpampianatra-Mpikaroka sy Mpikaroka-Mpampianatra) ka nandroso fehin-kevitra volavolan-drafitra ho an’i Madagasikara mikasika ny rafi-pitondrana, ny fitsarana,momba ny lalam-pifidianana,mikasika, ny rafitra ara-toe-karena, rafi-panabeazana, ny rafitra ara-koltoraly sy fikarohana.

Raha ny mikasika ny rafi-pitondrana  noresahana dia tokony ho rafi-pitondrana voadinika tsara no tokony hajoro eto Madagasikara mba tsy hisian’ny kitranoatrano sy kinamanamana. Rafi-pitondrana miainga eny ifotony ka mahafoana ny tsirefesimandidy sy ny fanararaotam-pahefana no ilaina araka izany. Misy ihany koa ny rafi-pitondrana tokony ho ravàna, ohatra amin’izany ny antenimierandoholona ka soloina antenimieran’olon-kendry sy filan-kevi-pirenena momba ny toe-karena sy sosialy. Mila hajoro ny fahefana feno na rafitra mpanara-maso mba hanasazy ny mpanao ny tsy mety eto amin’ny tany sy ny firenena.

Tojo (stagiaire)


Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *