Socio-eco

MPIANATRA ENY ANKATSO: Hanao fivoriambe momba ny fitakian’izy ireo


Fotoana hitakiana. Nanao fanambarana ny filohan’ireo fikambanan’ny mpianatra eny amin’ny oniversiten’Antananarivo androany 03 desambra 2019 teny Ankatso. Manentana ny mpianatra rehetra eny amin’ny oniversite ho avy amin’ny fivoriambe iarahana amin’ny manana olana eny anivon’ny anjerimanontolo izy ireo. Rahampitso 04 desambra 2019 eny amin’ny Esplanade Ankatso no hantanterahana izany. Nambaran’ny mpitondra tenin’ireo filohan’ny fikambanana, Ratianarivo Dagué fa “fotoana izao hanararaotana, ahafantarantsika mpianatra rehetra ny olana mianjady amintsika, efa notakiana hatramin’izay kanefa mbola tsy nahitana valiny mahafapo”.

Laharam-pamehana

Maro ny fitakiana hoy izy ary efa am-bolana maro no nitakiana izany. “Ny akaiky indrindra sy hitadiavana vahaolana haingana indrindra dia ny vatsim-pianaran’ny mpianatra. Izahay tsy hametraka intsony hoe ampiakaro ny vatsim-pianarana fa fahaiza-mitantana no hangatahinay, handrindrana ny fizarana ny vatsim-pianarana, ny hamoahana tetiandro mazava ahafantaran’ny mpianatra, isaky ny inona no mahazo vatsim-pianarana mba hiomanany amin’ny zavatra ilainy amin’ny famitàna ny fianarany”, hoy hatrany izy. Nilaza Ratianarivo Dagué fa rahampitso amin’ny fivoriambe no tanisaina ny olana isan-karazany mianjady amin’ny mpianatra tsirairay. Anisany hanatrika  ity fivoriana ity ny SECES (sendikan’ny mpampianatra-mpikaroka sy mpikaroka-mpampianatra). Nambaran’ny  mpitondra tenin’ny fikambanan’ny mpianatra fa manan-danja ny fotoana amin’ny  mpianatra. “Tsy miresaka  momba ny fitakian’ny SECES manokana izahay fa te hianatra mpianatra. Mangataka izahay ny hamahana ny olana ho an’izay tomponandraikitra mifanandrify amin’izany fa matiantoka aty an-tany lavitra aty izahay”.

Nohamafisiny fa fitakiana am-pilaminana sy am-panajana no ho atao ary  vahaolana maharitra amin’ny alalan’ny fifampiresahana amin’ireo tomponandraiki-panjakana na amin’ny fomba hafa no tadiavina.

Lynda A.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *