Socio-eco

SAMBO RENDRIKA TAO SOANIERANA IVONGO: Natao fanadihadiana ny tomponandraikitry ny APMF


“Tsy ho avelanay mihitsy iny raharaha iny raha tsy hita ny marina rehetra, hita daholo izay tomponandraikitra voakasik’izany”, hoy ny Ministry ny Fitsarana, Imbiki Herilaza, ny 6 janoary 2022 teny Faravohitra. Nambarany fa mitohy ny fanadihadiana momba ny sambo Francia  dobon-drano tany Soanierana Ivongo. Nankinina tamin’ny Fampanoavana ao Fenoarivo Atsinanana ny fanadihadiana ary iarahana misalahy amin’ny polisim-pirenena sy ny zandarimariam-pirenena ny fitadiavana ireo tomponandraikitra rehetra mety ho voakasiky ny raharaha, araka ny fanazavan’ny ministra. Efa azo daholo ny antontan-taratasy momba ny sambo sy ny tompon’ny sambo izay heverina fa izy no nitondra ny sambo tamin’io fotoanan’ny voina io. Heverina ihany koa fa velona izy ka efa mandeha ny fikarohana azy hatrany Mananara, Maroantsetra.  Fantatra ihany koa fa 5 ny isan’ireo “équipage” niaraka taminy. Nambaran’ny ministra Imbiki Herilaza fa tonga hatrany amin’ny tomponandraikitry ny APMF ny fanadihadiana. Nanaovana fanadihadiana ihany koa ny tomponandraikitry ny kaominina Antanambe Mananara sy ireo zandary mety ho voakasiky ny raharaha. Tsiahivina fa 20 desambra 2021 no rendrika ity sambo niondrana antsokosoko ity. Olona 138  no nandeha tamin’izany. Maty ny 88 tamin’izy ireo.

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *