Nanomboka ny talata 02 septambra ary mitohy ny 03 septambra 2025, eny amin’ny Lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena Mahamasina ny « Salon des études supérieures », andiany faha-22. Ny Mada Jeune no mikarakara ny hetsika. Sekoly ambony tsy miankina amin’ny fanjakana, ivon-toeram-pampiofanana, avy eto an-toerana sy any ivelany, miisa 80 no mandray anjara. Natao ampahafantarana an’ireo mpianatra vao afaka bakalorea sy ireo mbola maniry ny hanohy ny fianarany eny ambaratonga ambony ny ny ivon-toeram-pampianarana sy ireo lalam-piofanana misy ao aminy ary ny saram-pianarana ilaina ny salon des études supérieures.
« Mampiavaka ity andiany ity ny fandraisan’anjara voalohany ny sekoly ambony momba fanamoriana fiaramanidina, ny fisian’ny espace d’orientation na toerana natokana hanoroana ny tanora amin’ny fisafidianana ny asa sy ny lalam-piofanana mety aminy. Eo ihany koa ny lalao fisarihana tapakila ahazoana ordinateur portable ho an’ireo mpitsidika sy ny mpandray anjara ary ny fivoahan’ny guide Mada Jeune mirakitra oniversite tsy miankina amin’ny fanjakana, sekoly ambony , ivon-toeram-pampiofanana mihoatra ny 50”, hoy Rabearisoa Miora, tomponandraikitra ao amin’ny Mada Jeune.
Nambarany fa sakana lehibe ho an’ny tanora te hanohy ny fianarana eny amin’ny ambaratonga ambony ny tsy fahampiana antontam-baovao eo am-pelantanany. “Noho ny fahatsapana ny filàn’ny mpianatra sy ny fahazotoan’izy ireo mbola te hanohy ny fianarany no manosika ny Mada Jeune mbola manohy mikarakara hetsika tahaka izao, na eto Antananarivo na any amin’ny faritra”, hoy izy. Anisany mampitaintaina ny ray aman-dreny ihany koa ny lafiny saram-pianarana ka afaka mihaona mivantana amin’ireo tomponandraikitry ny ivon-toeram-pampianarana izy ireo raha te hahafantatra izany.
Ra-Nirina


