Socio-eco

SAKAFO AZO ANTOKA: Misoroka ny fanapoizinana ara-tsakafo.


Ho ampahafantarina eny amin’ny Lapan’ny  kolontsaina sy ny fanatanjahantena Mahamasina androany 18 novambra 2017 ny momba ny sakafo  azo antoka sy ara-pahasalamana. Trano heva isan-karazany hanampy ny mpitsidika  hahalala  ny fenitra takiana manomboka  amin’ny fitehirizana, ny fanodinana ny vokatra ho lasa sakafo… Tanjona  eto ny hisorohana ny fanapoizinana ara-tsakafo.

Mahazo fanamarinana momba ny  sakafo azo jifaina  na “certificat de consommabilité” ny vokatra manaraka ny fenitra takiana. Ny sampandraharaha misahana ny fitsirihana ny antoka ara- pahasalamana  sy ny kalitaon’ny sakafo no manome izany.  “Tokony mahazo fahazoan-dalana certificat de consommabilite avy amin’ny ministera aloha vao manaparitaka izany eto  amin’ny tsena anatiny”, hoy ny Tale misahana misahana  fitsirihana  ny antoka ara- pahasalamana  sy ny kalitaon’ny sakafo, Joely Nirina RAKOTOVAO RAVAHATRA.

Marihina fa efa nanomboka ny 17 novambra 2017 ny hetsika.

Nirina R.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *