Edito

Resaka fametraham-pialana.Iza indray no mandainga ?


Iza indray no mandainga sy mi-delire? Tena tsymahalala ny fametraham-pialan’ny minisitry ny vola sy ny teti-bola Gervais RAKOTOARIMANANA tokoa ve ny filohan’nyrepoblikan’i Madagasikara, Hery RAJAONARIMAMPIANINA ? Nanontaniana izany izy nandritra ny fitokanana ny tetezan’i Kamory omaly tamin’ny 11 antoandro ka nanambarany  fa tsy mahalala izany. « tokony hiandry ny vaovao ofisialy nympanao gazety », hoy izy. Nifanindry tamin’io koa anefa ny fanambaran’ny minisitry ny vola sy teti-bola teo aloha fa napetrany tany amin’ny filoha ny fametraham-pialany ka nahoana no tsy mahalala izany izy. Tsy mitovy fijery sy fomba fiasa marina ny fanjakana sy ity minisitra ity ka nanosika azy hiala amin’ny governemanta amin’ity fitondrana ity. Raha ny fanazavana nataon’ny ministra, efa tamin’ny zoma 14 jolay 2017 no nanaovany izany. Sa tsy nanaiky ny fialany ny filoha ka noheveriny fa tsy hanaovalan-dresaka ho an’nympanao gazety izy ?Marihina fa efa saika nanao io fanambarana io ity ministra ity ny Alahady 16 Jolay 2017 tamin’ny 5 ora sasany hariva kanefa tsy tanteraka izany noho ny antony tsy fantatra.

Tsy tranga vaovao tamin’ity fitondrana Hery RAJAONARIMAMPIANINA ity izao fa efa nisy tamin’ny praiminisitra Jean RAVELONARIVO.

Nirina R.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *