Evenement

RDJ MOZIKA : Hankasitraka ireo mpanakanto 2016


Hiditra amin’ny andiany faha-12 amin’izao fotoana izao ny “Rdj Mozika” izay karakarain’ny onjam-peo “Rdj”. Ity hetsika ity izay hifaninanan’ireo mpanakanto malaza na vao misondrotra miampy ny karazana mozika.

Nivoatra hatrany  izany fifaninanana izany ka miisa 17 ankehitriny ny sokajy hifaninanana ao anatin’izany “Rdj Mozika” izany.

Eo ny fisafidianana ny mpanakanto vao misandratra na lehilahy io na vehivavy izay mendrika indrindra tamin’ny taona 2016. Eo ihany koa ny fisafidianana ireo fampisehoana izay mendrika indrindra tao anatin’ny taona iray. Ankoatra ireo dia misy ihany koa ny fisafidianana ireo mozika milamina na ho an’ny lehilahy io na ho an’ny vehivavy. Na ny mozika mafana ho an’ny lehilahy sy ny vehivavy. Ny mozika “variété”,  ny mozika “tendance” , ny mozika “rock”, ny mozika “duo” sy “fiderana” , ny mozika “rap” sy “rnb”, ny mozika “cover” sy “remix”. Ireo hira sy vokatra izay nandeha tao amin’ity onjam-peo tsy miankina ity nanomboka ny voalohan’ny volana janoary 2016 ka hatramin’ny 31 desambra 2016 no handalo sivana ka handraisan’ny mpifidy anjara amin’izay fifaninanana izay. Efa nanomboka tamin’ny 16 janoary ny fifaninanana ka tsy hifarana raha tsy ny 18 febroary ho avy izao izany. Tompon’antoka tanteraka amin’ny fifantenana ireo sokajiana ho mendrika ny mpifidy izay mpihaino ny onjam-peo Rdj. Ny 18 febroary ho avy izao no hanatanterahana ny famaranana ity fifaninanana ity. Eny amin’ny CCI Ivato no hanatontosana izany.

Ny fifaninanana “Rdj Mozika” izay anisany nandray anjara mavitrika tamin’ny fampivoarana ny mozika Malagasy, hoy ny tale jeneralin’ny onjam-peo “Rdj”, Rasolojaona Tahiana, teny Anosy.


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *