Interview...Anterivava

Rasoazananera Marie Monique : « Tsy foanana izany ny bourses d’étude »


Ny fanatsarana ny fampianarana hatrany  sy ny fandaminana ny fiainana eny anivon’ny université no nodinihina nandritra ny fivoriamben’ny Filohan’ny oniversité sy mpitarika ireo IST, na ilay hoe COPRIES, conférence des présidents des Institutions de l’Enseignement Supérieur, ny alakamisy faha 31 n’ny volana mars lasa teo, teny Fiadanana.

Nisy ny fehin-kevitra noraisina ary vita sonia nataon’ireo tomponandraikitra mahakasika izany, voatondro ireo fotoana hametrahan ireo filohan’ny Oniversité vaovao amin’ny toerany avy ka ny any Antsiranana no hanombohana izany ny faha22 ny volana Aprily 2016, hotanterahina amin’ny volana jolay ny atrikasam-pirenena momba ny LMD. Handray anjara mavitrika amin’ny Fihaonana an-tampon’ny francophone ny Ministera, zava-dehibe ihany koa ilay andro natokana hoan’i Madagasikara ao amin’ny campus France ny volana may hoavy izao.

Ireo no anisan’ireo fehin-kevitra misy  9 tapaka tamin’io fivoriana io, tsy nisy mihitsy ny fanapahan-kevitra momba ny amin’ny hoe hanafoanana tsikelikely ny vatsim-pianaran’ny mpianatra.

Indro ny Anterivava natao tamin’ny minisitra Rasoazananera


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *