Socio-eco

Rano? Ilaina saingy lasa olana…


Mahafinaritra ilay resaka hifanentanana hoe : « Sasao  ny tananao ». Inona tokoa moa no lanjan’izany rano izany eo amin’ny fiainan’ny mponina amin’ny andavan’andro ? Tsy haingo io na haitraitra, ary tsy manavaka na iza na iza fa ilain’ny rehetra. Mahavita dia lavitr’ezaka manodidina ny 6 kilaometara ny mpantsaka rano vao mba mahazo rano ho fisotro sy ho fisasanana hanaovana ny kenokeona andavan’ando raha ny tontolo iainan’ny Gasy amin’izao fotoana izao. Tena mandeha lavitra ny tanàna izany ry Ravaomaria e ! Mandany fotoana ela satria io 6 km io dia adiny iray (raha haingana indrindra) no hanaovana azy. Dia inona moa no fahadiovana azo amin’izany ? Aiza no hisy rano hariam-potsiny amin’ ity tanana ho sasana madio ity?Mafy ny manjo ny mponina amin’ny fiainana iainany amin’ny andavan’andro-piainany.  Sitra-pony ve no tsy hanana tanana madio, fonenana milamina, fihariana tena ahafahany mamelona ny ankohonany ? Ny rano no aina manetsika ny tontolo rehetra, ary mila politika tena mipaka hatrany anin’ny fotony vao ho hita ny vokatry ny asan’ny rano eo amin’ny mponina amin’ny andavan’andro. Raha fitadiavana rano no mahavery fotoana lavabe ny zaza amam-behivavy eto amintsika dia mbola hanana hery ho enti-miatrika ny tokony hataony ve izy ireo. Hisy fiainam-pianakaviana ho vanona ? Hisy fianarana sy fahalalana ho azon’ny ankizy ? Iza no hino fa ao anatin’ny fisavoritana politika manjo antsika ankehitriny dia hanana tetika mato-paika hijerena izany pitsopitsony ho an’ny fiainan’ny mponina izany ny mpitondra ?

Tsy karazan’ny « fandrebirebena »  fotsiny ny ezaka (izay inoana fa nandaniam-bola) atao makotrokotroka etsy sy eroa ? Inona moa no tena fototry ny hazakazaka hataon’ny mpitondra mandritra izao fifandirana eo amin’ny samy mpanao politika izao ? Hamaha ny olana ara-tsosialin’ny mponina ve ? Tsia ! Tsy ho tonga amin’izany zava-bitika izany velively ny fitadiavana vaha-olana imasoan’ny rehetra amin’izao fotoana raha tsy milamina ny sehatra politka eto amintsika.

Lany andro amin’ny fivorivorina tsy mitondra vokatra ny mpanao politika. Hatramin’izao dia mbola tsy hifanarahana ihany na iza tokoa no haka kitay ? Iza no hatsaka rano ? Iza no handrasa sy hitetika ny hena ? Iza no hanara-maso ny fianaran’ny ankizy, Iza no hifofotra sy hively vy ? Tsy misy fifanarahana vita ireo rehetra ireo satria nisafidy ny « tokatrano imaso » isika. Sady tsy lasam-bodiondry no tsy nisy tso-dranon-dray aman-dreny, ary indrindra tsy araka izay dina nifanekena.  Aza gaga raha milentika sy mijanona ela any am-patsakana any ry Ravaomaria, zara aza anie mba misy hisentoana kely sy hialàna amin’ny rotorotom-piainana eo an-tanàna e !

Dia toy izany koa ny mpanao politka Gasy :…Nita ranomasina mihitsy matetika fa ehehehee, ny omaly tsy niova ihany no mbola fanao. Rano zara raha misy eran’ny zinga ve no tadiavina etsy sy eroa hisy hisasana tanana akory ? Tsy homena tsiny ry Ravaomaria raha hifampitadiavana eran’ny moron-drano.  Naleony nisintaka mihitsy ! Fa ny rano dia mamelona ary mbola mamono ihany koa raha mbola tsy voafehy…izay tokoa izao no olana fa tsy hoe mila rano anie isika, fa dibo-rano amin’ity taona ity e…Sady kere!

Ony RAMBELO


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *