Socio-eco

Raikitra indray ny festival des pirates ao Sainte-Marie


Taorian’ny fahombiazana lehibe tamin’ireo andiany roa voalohany, dia hisy indray ny ny andiany fahatelo amin’ity taona 2025 ity ny « Festival des Pirates ». Hetsika manamarika ny kolontsaina, ny fizahantany ary ny fanatanjahantena ao amin’ny nosy Sainte-Marie. Hotanterahina manomboka ny 28 hatramin’ny 30 novambra 2025 ny hetsika. Ny Orange Madagascar no mpiara-miombon’antoka lehibe hatramin’ny voalohany.

Fanentanana ho an’ny fizahantany sy ny kolontsaina

Ny « Festival des Pirates » dia karakarain’ny fikambanana LCDF – Le Circuit des Forbans, miaraka amin’ny Office du Tourisme de Sainte-Marie sy ny Ministeran’ny Fizahantany sy ny Asa Tanana. Tanjon’ny hetsika ny hampiroborobo ny fizahantany amin’ny vanim-potoana tsy mahabe ny fizahantany na ny « basse saison », sady hampiseho ny harena ara-kolontsaina sy tantara miavaka an’i Sainte-Marie, nosy malaza amin’ny lova ara-tantaran’ireo piraty.

Fampisehoana, lalao ….

Amin’ity taona ity dia hanolotra fandaharam-potoana feno  sy natao ho an’ny rehetra ny Festival. Ny “Grande Chasse au Trésor” malaza, izay natao ho an’ny mponina tao an-toerana ihany hatrizay, dia hisokatra amin’ny mpizahantany anatiny sy iraisam-pirenena.
Ny ekipa iray misy olona dimy, hiatrika fanamby izay mitovitovy amin’ny “Koh Lanta” : ny tantaran’ny piraty sy Sainte-Marie, fifaninanana ara-batana (filomanosana, fiakarana), fifaninanana amin’ny fahaiza miaraka, ary fahalalana ankapobeny momba ny kolontsaina. Hisy loka maro manintona ho an’ireo mandresy.

Telo andro feno hetsika sy mozika

Mandritra ireo telo andro, dia fampisehoana ara-panatanjahantena, zavakanto ary fampisehoana ataon’ireo mpanakanto malaza, Big MJ sy Ceisa, izay hanakatona ny lanonana amin’ny seho goavana eny an-kalamanjana.

Pirate Island, traikefa ara-tantara ho an’ny mpitsidika

Ankoatra ny lalao sy ny fampisehoana, ireo mpitsidika dia afaka handeha amin’ny làlana ara-tantara “Pirate Island”, izay mampifandray ireo toerana manan-tantara sy malaza ao Sainte-Marie : Cimetière des Pirates, Île aux Forbans, Musée de la Reine Betty, Îlot Madame ary ny fiangonana katolika voalohany teto Madagasikara.

Ho an’ireo avy any Antananarivo, dia efa voaomana ny tolotra manokana (offres packagées) ahafahana mandray anjara mora kokoa amin’ny festival.

Tetikasa ho an’ny ho avy

« Ny tanjon’ny Festival des Pirates dia ny hanitatra sy hanamaro ny tolotra ara-pizahantany, ary hanamafy ny toeran’i Sainte-Marie ho iray amin’ireo tanjona fizahantany lehibe indrindra eto Madagasikara », hoy ny fanazavan’ny mpikarakara.

Nandritra ireo andiany roa voalohany, dia efa nitombo 20 hatramin’ny 30% ny isan’ny mpizaha tany tonga teo anelanelan’ny volana oktobra sy novambra.

Orange Madagascar, mpiara-miombon’antoka hatrany amin’ny fandrosoana

Hatramin’ny andiany voalohany dia Orange Madagascar no isan’ny mpanohana lehibe amin’ity hetsika ity. Ny tanjony dia ny hampiroborobo ny kolontsaina, ny fanatanjahantena, ny mozika, ny asa tanana ary ny fizahantany eto Madagasikara. Mikendry ny hanandratra ny sarin’i Sainte-Marie ho toerana manintona maneran-tany ny mpikarakara, ary manantena ny hahatratra ny sehatra iraisam-pirenena amin’ny taona 2028 ny festival.

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *