Socio-eco

RAFANOMEZANTSOA JEAN NIRINA: Tsy misy hifandraisany amin’ny resaka facebook ny fanadihadiana


Raha toa ka “resaka facebook” no anton’ny fampiantsoana an-dRafanomezantsoa Jean Nirina teny amin’ny toby Ratsimandrava, sampandraharaha misahana ny ady atao amin’ny “cybercriminalité” dia momba ny “carrière” eny Soaniadanana, ny tetikasa “exode urbain”, ny fananany no tena nibahana tamin’ny fanadihadiana natao taminy ny 29 desambra 2021, araka ny fanazavany. “97 % ny fanadihadiana natao ahy dia tsoriko ary ampahafantariko fa tsy momban’ny facebook. Ny resaka nibahana tao dia hoe goaika antitra. Ny goaika antitra amiko dia filazana olona manana traikefa teo amin’ny zavatra notantanany. Tsy hitako izay olana.  Fanaparam-pahefana, fanaovana tsindry hazo lena ary ramatahora no tena votoatiny ny fitoriana”, hoy Rafanomezantsoa Jean Nirina. Ny solombavambahoaka Rossy no nitory azy. Nambaran’ny filohan’ny Hafari fa nandritra ity taona 2021 ity dia “nopotehan’ny solombavambahoaka Rossy ny tetikasa exode urbain”satria norahonana tamin’ny zandary ireo mpifindra monina tany, nampitahorina dia lasa nitsoaka nody daholo”. “Manimba ny Filoha Rajoelina ny zavatra toy ireny satria tsy izaho enjehin’ny depiote Rossy no simba fa ireo vahoaka madinika”, hoy izy. Nilaza Rafanomezantsoa Jean Nirina fa tsy hitory an’ity solombavambahoaka ity ary tsy hila ady aminy fa kosa hametraka kandida, amin’izay toerana hirotsahany, hifaninana aminy amin’ny lafiny politika satria tsy olona toy ireny hoy izy  no mpitondra fanjakana.

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *