Socio-eco

Radio Protestanta: Voatendry ho Tale i Léa Fanihia


Nanatanteraka ny fotoam-bavaka fanaony isaky ny fiandohan’ny  taona, natokany ho fiarahabana  ireo Raiamandreniny ny Fiombonan’ny Fiangonana Protestantra eto Madagasikara, FFPM, tao Vohipiraisana tamin’ny Alatsinainy 22 janoary 2018.

Ny Filohan’ny FJKM, Irako Andriamahazosoa Ammi Mpitandrina no nitarika ny fotoana, ary ny Dr Rakotonirina Davida Pastora, Filohan’ny FLM kosa no nitondra ny Tenin’Andriamanitra. Ventin-kafatra noantitranteriny tamin’izany ny fanomezam-pahefana sy fampirisihana ny mpino hanohy hatrany ny fanapariahana ny finoana kristiana hanerana ny tany, araka izay voalazan’ny Mat. 28 :19. Ilaina indrindra izany amin’izao tontolo iainana izao, mampahazo vahana ny fotokevitra mifanohitra amin’ny Filazantsara : fivadian’ny mitovy taovam-pananahana, ny franc-maçonnerie, sy ny fivavahana samihafa, indrindra ny silamo. Etsy andaniny koa ny hevitry ny maizina voizin’ireo firenena matanjaka ao ambadiky ny anaran-tsamihafa G7… G20… sns, ezahiny hifehezana izao tontolo izao. Manana ny Fanahy Masina ny Kristiana hiatrehana ireny rehetra ireny.

Iombonan’ny FJKM sy ny FLM ny « Vontosy Filazantsara ny Nosy Madagasikara », ka hampitomboan’ny isan’ny vita batisa. Ankoatr’izay dia nambara koa fa manomboka izao dia hitambatra ny ambaratonga « doctorat » ho an’ny fianarana teolojia ho an’ny roa tonta.

Natolotra tamin’ity fotoana ity koa ny Filoha vaovao hitantana ny Radio Protestantra, Ramatoa Lea Fanihia, izay zanaky ny FFPM sady zanak’omby tsy ampianarin-domano eo amin’ny sehatry ny fanaovan-gazety, sady zanaka an-tranon’ny Radio Madagasikara rahateo nandritra ny fotoana maro.

Anisan’ireo tsangambaton’ny faha-100 taonan’ny FFPM rahateo moa ny hananganana sitasiona Radio Protestantra, ankoatra ny fiaraha-miasa amin’ny Radio Madagasikara.

Razaka Oliva


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *