Socio-eco

PROTOCOLE DE MAPUTO: Ny tanora no hisitraka voalohany ny tombontsoa raha mankatoa ny fifanarahana ny fanjakana malagasy


 Tanora malagasy, mpianatra eny amin’ny anjerimanontolo sy avy amin’ny fikambanana maro no niaraka niady hevitra momba ny Protocole de Maputo (PM), ny zoma  19 jolay 2024, teny Antanimena. Ny  Forum de Génération Égalité (FGE)no nikarakara ity hetsika ity ho fanamarihana ny fankalazana ny faha-21 taonan’ny PM na  fifanarahana   mikasika ny sata afrikanina momba ny fiarovana ny zon’ny vehivavy sy ho antso  fanairana ny hankatoavana izany. Efa nanasonia fa tsy mbola nankatoa ny fifanarahana i Madagasikara. Zon’ny vehivavy maro  no voalaza ao anatiny, toy ny zo hiaina anaty fandriam-pahalemana, zo hahazo fanabeazana sy fiofanana, zo hisitraka fampandrosoana maharitra, zo amin’ny fandovana, fiarovana  manokana ara-tsosialy ny vehivavy zokiolona, fiarovana ny vehivavy sahirana, zo amin’ny fiahina ara-tsakafo, zo amin’ny fahasalamana sy fiainana ara-pananahana… Miresaka momba io zo amin’ny fasahalamana sy fiainana ara-pananahana io  andininy faha-14 amin’ny fifanarahana ary voalaza ao fa  anjaran’ny fanjakana no mandray fepetra araka ny tokony ho izy ahafahana miantoka ny fidiran’ny vehivavy amin’ny tolotra ara-pahasalamana sahaza, amin’ny sandany mirary sy amin’ny toerana akaiky azy, tafiditra ao anatin’izany ireo fandaharam-potoana hanomezana fiofanana momba ny fanabeazana sy ny fifandraisana ho an’ny vehivavy, indrindra ireo eny ambanivohitra. Andraikitry ny fanjakana ihany koa ny manolotra sampandraharaha misahana ny fandraisana an-tanana ny vehivavy mialoha sy aorian’ny fiterahany, misahana ny ara-tsakafo mandritra ny fotoana hitondrana vohoka sy ao anatin’ny fampinonoana ary miantoka ny fanatsaràna ny servisy efa misy. Ny tapany (c) ao amin’io andalana io no olana tsy hankatoavin’i Madagasikara ity fifanarahana momba ny fiarovana ny zon’ny vehivavy aty Afrika ity. Miresaka momba fiarovana ny zon’ny vehivavy ara-pananahana, indrindra ny fanomezana alalàna ny fampitsaharana vohoka ara-medikaly, raha toa ka vohoka azo avy amin’ny herisetra ara-pananahana, na fanolanana, na firaisana ara-nofo  mamoafady (mpihavana akaiky…) na koa raha mampidi-doza ny fahasalamana ara-tsaina, ara-batan’ilay reny, na ny ain’ilay reny na ny ain’ilay zaza ao an-kibony, ny fitondrana vohoka.

 « Olan’ny tanora ny resaka fananahana ary mbola misy ny ezaka tokony atao amin’ny fiarovana  ny zon’ny ankizy satria ny tanora mbola ao anatin’ny ankizy  ny ankamaroany.  Raha oharina amin’ny firenena hafa  dia tsy mbola miaina ankalalahana ny ankizy sy tanora malagasy.  Voalaza tao anaty adihevitra teo fa anisany mahatonga  fanohitohinana ny zo ny resaka fanabeazana, kolontsaina sy fomba amam-panao manimba. Eo ihany koa ny tsy fahampian’ny lalàna. Tanjona tsara indrindra ahafahana miaro ny zon’ny vehivavy ny fankatoavana ny Protocole de Maputo », hoy i  ny mpisolovava Rakotonaivo Rindra, nandray anjara tamin’ny adihevitra amin’ny maha tanora azy. Nanamafy ihany koa i Andrianavalona Nathanael , mpianatra eny amin’ny oniversite fa tsy ampy ny fahalalan’ny tanora ny zony. « Inoako fa raha  mahatakatra ny tanora fa misy tombontsoa be dia be hananan’izy ireo rehefa manaraka ny zo sy adidy dia ho liana amin’izay izy fa ankehitriny noho ny tsy fahampian’ny fanabeazana angamba dia mbola variana ny tanora malagasy. Rehefa mifoha ny tanora malagasy dia mandroso i Madagasikara », hoy izy. Nambaran’i Raparaoelina Tendry, mpikambana ao amin’ny FGE fa ilaina ny hevitry ny tanora momba ity fifanarahana ity satria raha hakantoavina izany dia hisitraka voalohany ny tombontsoa amin’izany izy ireo.

Ra-Nirina


Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *